- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Fankatoavana ireo Maritiora

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Politika, Zon'olombelona

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Hatramin'ny Asabotsy, nanao fihetsiketsehana tamim-pilaminana sy tamin-kalalahana ireo mpanohitra ny fanjakana tany amin'ny Rondpoint Pearl (Lulu). Manamarika ny andro fahavalon'ny Andron'ny hetsi-panoherana mifono hatezeran'i Bahrain androany, satria dia nanao diabe avy any amin'ny tranobe fivarotana any Bahrain ka hatrany amin'ny Roindpoint Pearl (Lulu) ho mariky ny fankatoavana ireo maritiora valo niamboho nandritra io hetsi-panoherana io.

@ba7ari [2] ireo mpanohitra ny fanjakana mizotra mankany Lulu sq, mbola be ny ho avy #bahrain #feb14 #eu #hrw #un #gcc #gulf #uae

Demonstrators marching towards Pearl Roundabout [3]

Ireo mpanohitra manao rodobe mankany amin ny Rondpoint Pearl

@arwaCNN [4] Diabe maro olona indrindra manohitra ny fitondrana tany amin'ny arabe lehibe mankany amin'ny rondpoint pearl any #bahrain http://yfrog.com/gzkocsqj [5]

Aerial view of march in front of Bahrain Mall [5]

Ilay Diabe teo anoloan'ny Tranobe Fivarotan i Bahrain hita avy any amin'ny habakabaka

@alihashemii حاليابالبحرين مسيرةالشهداء http://twitpic.com/42juom [6]'Now at the Loyalty for the Martyrs march' [6]

@emoodz [7] Manambara ireo Mpkarakara fa tampina ny lalana! Manomboka any amin'ny Tranobe Fivarotana any Bahrain izany ary mihanaka manerana ny lalana rehetra mankany #lulu.. #Bahrain

@Nabeelrajab [8]

#bahrain #feb14 اكثر من خمسون الف امراءة مشاركة في التظاهرة ويصرخن سلمية سلمية مسيرتنا سلمي

50.000 mihoatra ireo vehivavy miantsoantso hoe ‘Milamina, Milamina, Milamina tanteraka ny fihetsiketsehinay’ ao anatin'ilay Diabe

http://www.youtube.com/watch?v=fVaLqkZo_ts [9]

Lahatsary fohy mikasika ity fihetsiketsehana ity teny an-toerana. Navoakan'ny mpampiasa YouTube nadooiwish [9]

Na dia nisy aza ny fampitana ny fivorian'ny firaisam-pirenena tao amin'ny Moskea Al-Fateh ny alatsinainy navoakan'ny fahitalavi-panjakana ny alatsinainy, tsy misy na fahitalavitra na fanambarana mikasika ny Diaben'ny Maritiora tonga tany amin'ny Televiziona tao Bahrain. Haingana ny nilazan'ny tontolon'ny Twitter Bahrain an'io tranga io sy nanehoan'izy ireo ny fahadisoam-panantenany sy ny ahiahiny mikasika ny tetikasan'ny governemanta fetsifetsy.

@Joojalkhalifa [10] Tena tsy mirarahara ny hetsi-panoherana androany mihitsy ny BTV. Tsy nisy nitranga, tsia. Tsy misy. Inona? Fihetsiketsehana?Iza?Taiza?Manama?Nankany Fateh ny vahoaka omaly, eny…

@angryarabiya [11] Bahrain TV fa maninona ianao no mamoaka mivantana ny hetsika ataon'ny mpomba ny governemanta mandritra ny ora maro ary tsy manisy na dia sary iray aza mikasika ny diabe nataon'ireo mpanohitra mihaotra ny iray hetsy androany?

@ehsankooheji [12] Omeko tsiny be ny tatitra voafantin'ny BTV amin'ny fisaraham-bazana mankarary misy antsika amin'izao fotoana. Mbola mihoatra noho ny fanomezako tsiny ny manam-pahefana manohitra ny fikomiana sy ny fitifiran'ny miaramila.

@MDaaysi [13] Ao anatin'ny fandavana [tsy firaharahiana] goavana ny #Btv amin'izao fotoana izao … maninona no tsy aseho daholo ireo hetsi-panoherana tany #Bahrain raha nampiseho ny omaly ihany ianao ? #feb14 #justsaying

Arwa Damon ao amin'ny CNN, izay nandrakotra ny hetsi-panoherana tany Bahrain, nandefa sarin'ity Diabe ity mivantana kanefa dia nahazo hafatra avy any amin'ny Manampahefana mikasika ny Raharahan'ny Fampahalalana any Bahrain mba hanapaka izany fandrakofana mivantana izany.

@arwaCNN [14] Taorian'ny fandrakofanay mivantana farany ny #bahrain dia niantso sy niteny ny minisitry ny Fampahalalam-baovao fa tsy nahazo alalana handrakotra mivantana ny zavamisy izahay #cnn

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.