- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: VOA nosovohan'ny “Cyber Army”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Nosovohan'ny [no-pirate-n'ny] [1] “Cyber Army” [Tafika an-tseraseran'i] Iran ny tranonkalan'i Voice of America androany [talata] ka nametrahany hafatra ho an'i Hilary Clinton: “Rtoa. Clinton, Tianao ho heno ve ny feon'ny firenena voatsindry? Tsy ho voafitak'i Etazonia intsony ny firenena silamo, ary tianay ianao hampitsahatra ny fitsabahanao any amin'ny firenena silamo.”