- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Manohy ny Dia, Mpanao Fihetsiketsehana Iray Indray Latsak'aina (Lahatsary)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Tanora iray no voatifitra sy maty tao Aden, Yemen [1] tamin'ny Alatsinainy 21 Febroary raha nifamotoana taminà tanàna efatra samihafa ireo mpanao fihetsiketsehana analiny [2] tamin'ny andro faha-11 nanaovana hetsika ho fandravàna ny telopolo taona mahery nanjakan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh [3]. Raha kely indrindra dia 11 no olona latsak'aina [4] hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana, ary ny Amnesty International nilaza [5] fa raha kely indrindra dia 78 no olona naratra. Mpianatra dimy no mbola voatazona [6] any amin'ny polisy.

Tanatinà vela-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Alatsinainy teo, nilaza ny Filoha Saleh fa laviny ny hametra-pialàna [7], saingy nanolo-tànana hifampiresaka amin'ireo antoko mpanohitra izy. Voahilika avy hatrany izany [8]. Ireo mpanao fihetsiketsehana, ireo vahoaka tanora sy mpomba ny antoko mpanohitra, dis tsy mbola mihevitra ny ho atsy na aroa aloha ato ho ato. Ireo mpianatra dia nanomboka namelatra tranolay eo ivelan'ny [9] Anjerimanontolon'i Sana'a tamin'ny Alahady. Ary any Aden, nitifitra ny polisy mampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana mba hiparitaka, ireto farany izay nilaza koa fa hanangana tranolay.

Al-Masdar Online dia manana sary avy amin'ireo famoriam-bahoaka tamin'ny Alatsinainy [6].

Ireo mpandrakitra lahatsary dia nanangona sary avy amin'ny lafy valon'ny firenena.

Ity lahatsary ity, nampakarin'ny distrikan'i Mualla [10] ao Aden dia mampiseho fanipàzana ny sarin'ny filoha avy eny an-davarangana iray.

Ity lahatsarin'ny hetsika tamin'ny 21 Febroary tao amin'ny distrikan'i Aden ity, nampakarin'i Diaz9th [11]

Lahatsary iray, nampakarin'i yemen5100 [12] maneho hetsika iray manohitra ny governemanta.

Ireo olona ao anatiny sy any ivelan'i Yemen koa dia navitrika be tao amin'ny Twitter.

@yemen4change: [13] Tena manome aingam-panahy be mihitsy ny mandre ireo olona avy any amin'ny faritanin'i #Ibb & #Abyan maneho firaisankina amin'ny firotsahana amin'ireo hetsiky ny mpomba ny fanovàna ao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana ao #Taiz #Yemen

@Yemen_2011 [14] #Yemen -namana vitsivitsy ao Sanaa izay niresaka fanohanana an'i #Egypt #Tunisia no tonga manatevin-daharana ny mpanao fihetsiketsehana izao – Yemenis mihetsika fa tsy mikabary  – endrika maro vaovao

@dia_assada: [15] Izao ankehitriny izao ao ankianjan'ny Fahalalahana, Taiz, #Yemen, miara-mivavaka amin'ny feo tokana daholo ireo mpanao fihetsiketsehana mba hamonjena ireo rahalahy sy anabavin-dry zareo any #Libya

@AlaaIsam [16] manome rohy mankaminà sary iray tamin'ny hetsi-panoheran'ireo Mpiasa avy any Avaratra tao an-tsenan'i  Sailah ao amin'ilay distrika vavam-bolokano Saana

Eto ny sary [17].

@ma2moun: [18]Fa izao koa, Ali Abdullah Saleh, raha mijery sy mitady hianatra ny ataon'i Gaddafi ianao, tsara ho anao ny tsy manao izany, manana  fiara mifono vy ny vahoakanao, mialà dieny izao #Yemen

@nayemkabir: [19] Io arofanin'ny fahamarinana io, Hillary Clinton dia niteny mafy nanakiana an'ilay jadon-dahy Gaddafi saingy mbola mitazona mafy hatrany an'ireo namany ao  Yemen & Morocco.