- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Fahafatesana mialoha ny Fahafahana (Lahatsary)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya [1].

Ao anatin'ny toe-draharaha mampidi-doza sady miova haingana dia haingana ao an-toerana – sy amin'ny alalan'ny serasera nomerika tsy dia tsara loatra – no anombohan'ny mponina any Libya mamoaka saripika sy lahatsarin'ny fitroarana manohitra an'i Muammar Al Gaddafi ho hitan'ny any ivelany. Indreto misy rakitsary sy raki-dahatsary noraisina nandritra ny fihetsiketsehana tanelanelan'ny Zoma 18 Febroary 18 ka hatramin'ny alatsinainy 21 Febroary 2011.

Man spitting on image of Muammar Al Gaddafi. Image posted by @abanidrees. [2]

Lehilahy mandrotra ny sarin i Muammar Al Gaddafi. Saripika @abanidrees.

Ity lahatsary nampidirina tao amin'ny Youtube avy amin'i TUNISIEINFOS [3] ity dia mampiseho fitaovam-piadiana nalain'ny vahoaka avy tamin'ny mpikarama an'ady vahiny. Nosoratan'i TUNISIEINFOS moa fa nalaina tany Benghazi ity lahatsary ity:

Ity lhatsary navoakan'i zak198466sjune [4] ity dia natsoina hoe ‘Tsenan-joma Tripoli Benghazi Miaraka Aminao':

Nanamarika ny mpaneho hevitra iray tamin'ity lahatsary ity, yarajawi [5] hoe:

Mihira = Mitomany amin'ny ranomason-drà i Benghazi, aiza ny lehilahin'i Souq Aljum3a. [toerana iray malaza any Tripoli ahitana ny tovolahy matanjaka, io no toerana raha fantarina avy amin'ny lohateny]

Ny hira moa dia natao handrisihana ny mpanao fihetsiketsehana hiara-dia amin'izy ireo. Hiaraka amin'i Tripoli [anie] Andriamanitra satria eo ny toby famaharany farany ary ataony mitondra faisana izay rehetra hitany eny an'arabe.

Amin'ity sary navoakan'i @amtphoto [6] ity no ahitana soratsoratra amin'ny rindrin'i Tripoli izay midika ho: “Afaka i Libya, tafavoaka ilay mpamono vahoaka.”

Anti-Gaddafi graffiti posted by @amtphoto. [7]

Graffiti manohitra Gaddafi graffiti navoakan i @amtphoto.

FAMPITANDREMANA: Ity rohy ity [8] dia mampiseho sary [mampihoron-koditra] tovolahy iray lazain'ny vavolombelona fa notifirina sniper [mpitifitra ikoizana].

Ity lahatsary maizina navoakan'i Libyanym [9] ity dia antsoina hoe ‘Tripoli, Sooq Al Jum3a Libya 20 Febroary 2011′:

Ity lahatsary ‘shahat (Cyrene) afaka tamin'i gaddafi 20-2-2011′ ity dia nampidirin'i sdontknow79 [10] ary mampiseho ny horakoraky ny mpanao fihetsiketsehana anyShahat, Libya, izay any amin'ny 1200 km atsinanan'i Tripoli:

http://www.youtube.com/watch?v=c1YqgziOaDA [11]

Lahatsary hafa nampidirin'i sdontknow79 [10] mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana mandritra ny alina any Tripoli:

http://www.youtube.com/watch?v=9FXFRFQitWI [12]

Ny fahatelo avy amin'i sdontknow79 [10], ity lahatsary ity dia antsoina hoe ‘mpitifitra any tripoli 20-2-2011′:

http://www.youtube.com/watch?v=hUzQHdbnCWU [13]

Ity lahatsary nampidirin'i abo874 [14] ity dia fariparitan'ny vohikala Arab Revolution [15] ho mampiseho ny fihetsiketsehana any Misurata, 200 kilometatra atsinanan'i Tripoli:

http://www.youtube.com/watch?v=yFL2yALsTxc [16]

Ity lahatsary ity dia antsoina hoe ‘LIBYA: Fihetsiketsehana ho amin'ny demokrasia ao an-dRenivohitra Tripoli 20 Feb’. Nampidirin'i xgotfiveonitx [17]:

FAMPITANDREMANA: Ity lahatsary navoakan'i qwe23ir [18] ity dia mampiseho ny lazain'ny olona ao amin'ny Twitter izay heverina [19] ho miaramila Libyana [20] nodorana sy novonoina noho ny fandavan'izy ireo tsy hamono ny mpanao fihetsiketsehana. Ny dikan'ny anaran'ny lahatsary dia hoe ‘Maritioran'ny mpiantafika Benghazi':

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya [1]