Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

22 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 22 Febroary 2011

Yemen: Manohy ny Dia, Mpanao Fihetsiketsehana Iray Indray Latsak'aina (Lahatsary)

Tanora iray no voatifitra sy maty tao Aden, Yemen tamin'ny Alatsinainy 21 Febroary raha nifamotoana taminà tanàna efatra samihafa ireo mpanao fihetsiketsehana analiny tamin'ny andro faha-11 nanaovana hetsika ho fandravàna ny telopolo taona mahery nanjakan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh.

Djibouti: Hanjary Ho Ejipta Iray Hafa ve?

Nisy fihetsiketsehana tao Djibouti nanoherana ny Filoha Ismail Omar Guelleh izay nisolo ny dadatoany Hassan_Gouled_Aptidon tamin'ny 1999. Somaliland Press mitatitra fa mpanao fihetsiketsehana 300 no nihetsika tao akaikin'ny lapan'ny governemanta tamin'ny Zoma. Hanjary ho Ejipta iray hafa ve i Djibouti?

Libya: Fahafatesana mialoha ny Fahafahana (Lahatsary)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya. Ao anatin'ny toe-draharaha mampidi-doza sady miova haingana dia haingana ao an-toerana – sy amin'ny alalan'ny serasera nomerika tsy dia tsara loatra – no anombohan'ny mponina any Libya mamoaka saripika sy lahatsarin'ny fitroarana manohitra an'i Muammar Al...

Bahrain: Feno maratran'ny rondpoint Lulu ny hopitalibe

Taorian'ny famelezana vao mangiran-dratsy tany amin'ny rondpoint Lulu, ivotoeran'ny hetsi-panoherana manohitra ny governemanta nanomboka ny 14 Febroary 2011, maro ireo naratra nalefa maika tany amin'ny hopitalin'i Salmaniya. Olona telo no maty tamin'io andro io.

Libya: Sakano Ny Vonomoka Ataon'i Gaddafi

Anaty horohoro no hibanjinan'izao tontolo izao an'ireo tatitra mampivarahontsana avy any Libya. Nampiray feo ireo olona avy amin'ny lafy valon'ny tany mba hiantso fampitsaharana ny vono moka ataon'ilay mpitarika Libiana Muammar Al Gaddafi amin'ny vahoaka Libiana ireo vaovao nilaza fandarohana baomba an'i Tripoli avy eny an'habakabaka.

Haiti: Fanampiana avy any Slovakia notazonin'ny ladoany mandritra ny folo volana

Kontenera miaraka amin'ny sambo faharoa misy ny fanampiana ara-olombelona avy any Slovakia no notazon'ny ladoany any Haiti efa ho folo volana. Mandika ny fomba fijerin'ny mponina amin'ny aterineto Slovaky ny olana i Tibor Blazko.

Tontolo Arabo: Adihevitra Goavan'ny Fampitam-Baovao Sosialy

Efa am-bolana raha ny fijery azy no mafotaka ny adihevitra momba ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tamin'ireo fihetsiketsehana. Tsy ela akory izay, nifantoka tamin'i Tonizia sy Ejipta izany adihevitra izany, izay ny tranonkala toy ny Facebook sy Twitter no tena nitana toerana lehibe tamin'ny fandrindràna ny hetsika. Ity ny singany iray...