- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gabon: Ny tolona tsy hita maso loatra

Sokajy: Gabòna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Tanora, Zon'olombelona

Tsy nahombiazana tamin'ny lazany ny fanoherana tany Gabon teo amin'ny sehatry ny vaovao iraisam-pirenena fa mbola variana nitodika tany amin'ny krizin'i Ejipta ny olon-drehetra. Nanontany tena i Mohamed Keita ao amin'ny Komity hoan'ny Fiarovana ny mpanao gazety (CPJ) hoe “tsy maneho an-tsary ny tena sivana ny vaovao tsy marina [1]” any Gabon, raha niresaka ny fanakatonana ny TV Gabonezy tsy miankina voalohany , TV+ izy.

Raha ny hevitr'i Keita, dia marika manokana fa sarotra ny raharaha ny fihetsika tafahoatra nataon'ny governemantan'i Ali Bongo: ny tena noheverin'i Ali Bongo sy ny mpanara-dia azy ho tsy misy dikany taloha no hita hoe niteraka saritaka ara-politika goavana teo amin'ity firenena Afrikana kely ity.
Azo fehezina ho fandavana tanteraka ny antoko mpanohitra ny fomba firesaky ny mpiaraka amin'i Bongo.

Sekou Oumar Doumbia [2], mpanara-dia an'i Bongo, dia manoratra eo amin'ny pejin'ny Facebook [3]-n'i Ali Bongo':

Continuez de travailler et laissez les ridicules rêver.

Tohizo ny asa dia avelao ny olona tsy misaina hanonofy.

Na izany aza, toa sarotra kokoa noho ny heverina ny zava-misy. Tao anatin'ny dimy andro lasa izay, nahita maso korontana teo amin'ny sivily ny firenena. Nefa i IQ4New [4], mpanao gazety eo amin'ny tranonkala an-gazety natao hoan'ny olana Afrikana, kosa dia mahita [5] fa tena “tsy nisy tontolon'ny asa fanaovan-gazety niraharaha ny fanoherana tany Gabon noho ny fifantohana nankany Ejipta”.

Fanoherana faobe any Libreville sy ny fandrobana nyTranoben'ny PNUD

Noho ny nataon'ny mazoto an-tserasera, nisy ireo vaovao sasany mikasika ny fanoherana; hita ihany koa izy ireo teo amin'ireo tambajotra sosialy samihafa.

Ny Sabotsy 29 Janoary 2011 lasa teo, fihetsiketsehana iray no nokarakaraina tao amin'ny Carrefour Rio tany Libreville, renivohitr'i Gabon. Maherin'ny 2000 ny mpanohitra ao amin'ny antokon'i Mba Obame no tonga nanao fihetsiketsehana ho fanoherana ny governemantan'i Ali Bongo ary nifanandrina tamin'ny miaramila.

Demonstration, Carrefour Rio in Libreville, 29 January, 2011 [6]

Fihetsiketsehana, Carrefour Rio any Libreville, 29 Janoary, 2011

Narahina herisetra be ity fihetsiketsehana ity teo amin'ny mpanara-dia an'i Mba Obame sy ny herin'ny polisin'i Ali Bongo, izay voafandriky ny vondron'ny mpanao fihetsiketsehana teo an-toerana izay nanombohan'ny fihetsiketsehana.

Ny androtr'iny ihany, nahazo baiko ihany koa ny tafika miaramila hanafika ny tranoben'ny United Nations Program for Development (UNDP na PNUD) any Libreville, toerana izay hiafenan'i Mba Obame sy ny governemantany amin'izao fotoana izao. Camarade, mahery fo Gabonezy, dia naneho eo amin'ny bilaoginy [7] [fr] sary maro ahitana ireo niharan-doza tamin'ny fanafihana:

Opposition protestor after UNDP attack on 29 January, 2011 (c) Camarade on LePost

ireo mpanohitra nanao fihetsiketsehana taorian'ny fanafihana ny UNDP tamin'ny 29 Janary, 2011 (c) Camarade eo aminny LePost

Mitatitra ny La voix du Peuple Gabonais LVDPG eo amin'ny tranonkalany [8][fr] fa olona tany ho any amin'ny 2,000 no nanao fihetsiketsehana tany Bitam [9] [fr], any avaratry ny firenena tamin'ny Alatsinainy 31 Janoary, 2011. Eo amin'io tranonkala io ihany no milaza fa misy any amin'ny distrika [10][fr] maro any Libreville tamin'ny 2 Febroary ny korontana. Any Atong Abè, polisy iray no naratra.

Manazava i Franklin [11] eo amin'ny Twitter :

Gabon: Crise politique:Soulèvements populaires en cours; quartiers pauvres de Nkembo, Cocotiers, Gare-routière, Atong Abè. Un blessé grave.

Fitroatry ny vahoaka miseho amin'izao fotoana izao; distrika mahantran'i Nkembo, Cocotiers, Gare-Routière, Atong Abè. Iray no tena naratra mafy.
Meyo-Kye, North Gabon, 2 February, 2011. Banner reads: "In Tunisia, Ben Ali left. In Gabon, Ali Ben out." [12]

Meyo-Kye, Gabon Avaratra, 2 Febroary, 2011. Mivaky toy izao ny soratra: "Any Tonizia, nitsoaka i Ben Ali. Any Gabon, Ali Ben mivoaha."

Cars burnt in Atong Abè, Libreville, after riots on 2 February, 2011. [13]

Fiara may any Atong Abè, Libreville,taorian'ny rotaka taminny 2 Febroary, 2011

Fanagadrana misesisesy

Ampolony ny mpikambana sy ny mpanohana ny antoko Union Nationale  (NU) antoko mpanohitra lehibe indrindra no nogadraina tanatin'izay dimy andro lasa izay. Namoaka fanambarana an-gazety ny Filohan'ny NU i Koaci.com [14]:

A 5 heures du matin plusieurs compatriotes ont été arrêtés, brutalisés et transférés au camp Aïssa (caserne du Bataillon des parachutistes gabonais), puis au camp de gendarmerie de Gros-Bouquet, avant d’être finalement gardés à vue, à partir du 28 janvier, dans les sous-sols de la Direction générale des Recherches de la Gendarmerie Nationale et ce, au mépris de la loi qui interdit toute garde à vue au-delà de 72h.”

Amin'ny 5 maraina, mpiray tanindrazana maro no nogadraina, nodarohina ary nalefa any amin'ny toby Aïssa (Tobin'ny mpilatsaka an'elon'aina Gabonezy), ary avy eo any amin'ny tobin'ny zandarimaria Gros-Bouquet, talohan'ny nitanana azy ireo, nanomboka ny 28 Janoary, tao amin'ny sous-sol ny sampam-pikarohan'ny Zandarimariam-pirenena, manosihosy ny lalàna mandrara ny fitanana mihoatra ny 72 ora ao am-ponja.

Nandefa tweet [15] ny antoko mpanohitra ny Ministry ny raharaham-bahiny, Bruno Ben Moubamba, tamin'ny maraina mikasika ny fakana an-keriny ny zanaka lahin'ny depiote Gabonezy, Alexis Bengone:

Fanoherana efa voalamina& Herisetra any Gabon. nalain'ny lehilahy tsy fantatra ny zanaka lahin'ny praiministra teo aloha. #revogab [16]#egypt [17] #tunisia [18] #civ2010 [19]

Mihevitra ny sasany fa misy ifandraisany amin'ny hetsika ataony amin'ny aterineto ity fanagadrana ity. Izy no mitantana ny tambajotra sosialy Gabao Res Publica [20] ary mety nitarika hevitra ny fitroatry ny tanora miaraka amin'ny lahatsorany [21], ‘Gabon: taranaka mitady ny lalana demokratika’.

Anisan'ny vaovao manokana antsika ity lahatsoratra ity eo amin'ny Koronatana 2011 any Gabon [22]