- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanzania: Maneho hevitra momba ny fipoahana baomba tany amin'ny toby miaramila ny mpampiasa aterineto

Sokajy: Afrika Mainty, Tanzania, Mediam-bahoaka, Voina

Olona 30 fara-fahakeliny no maty [1] tamin'ny fipoahana baomba maromaro taorian'ny loza tamin'ny Alakamisy vao mangiran-dratsy tany amin'ny toby miaramilan'ny Gongo la Mboto any Dar es Salaam, Tanzania. 22 fara-fahakeliny ny olona maty tamin'ny 2009 [2] taorian'ny fipoahana baomba mahatsiravina tany amin'ny toerana  fametrahana ny fitaovam-piadiana tany amin'ny toby miaramila any Mbagala any Dar es Salaam.

A piece of rocket still has blood on it after killing a woman. Photo courtesy of Robert Okanda. [3]

"Rocket" iray mbola misy ra taorian'ny namonoany vehivavy iray. Sary nalain'i Robert Okanda.

La Princessa dia miantso ny fanampian'Andriamanitra [4]:

Efa in-droa izay isika no nanapoaka tena, tsy nahy… Andriamanitra o ampio izahay

Any ivelan'i Afrika, mpitoraka blaogy avy any Kalifornia, Etazonia, monina 15 kilometatra monja miala ny toby miaramila [5]:

Ny zavatra manaitaitra amin'ny alina… mpirenireny, matoatoa, ary… baomba? Mety hoe ny vaovao nafana indrindra omaly alina tamin'ny sehatra iraisam-pirenena (izay raha ny marina dia tsy noraisina ho vaovao akory), dia ny ora roa nisian'ny fipoahana baomba tany Dar es Salaam, TZ- 15km monja miala amin'ny toeram-ponenanay.

Tamin'ny 9.30 alina ny 16 Febroary, raha teo ambony fandriana izahay sy Ross nijery sarimihetsika mampatahotra, nanomboka nihozongozona ny trano, nikatrokatroka ny varavarana, ary nikapokapoka avokoa ny varavarankely. Amin'ny maha-Kaliforniana Tatsimo ahy dia nieritreritra avy hatrany aho hoe ‘Horohorontany!’ Dia avy eo nihamafy ny feo. Fipoahana iray fanindroany. Fanintelony. Dia nitohitohy hatrany mandrapangiran'ny lanitra ho volomboasary.

Samy nivoaka tany ivelany daholo ny olona tato aminay. Ny fanontaniana tian'ny tsirairay apetraka dia ny hoe fanafihana ve izao? Sa fipoahana baomba tsy nahy avy amin'ny toby miaramila any akaikikaiky any?

Ny antsasak'ireo Tanzaniana miara-mipetraka aminay dia nino avokoa fa ilay voalohany no marina.  Vao tsy ela dia nisy korontana tany amin'ireo anjerimanontolo taty an-toerana, ary voalohany anatin'ny 40taona izao ny antoko mpanohitra no mahazo hery aty amin'ny firenena, ka nitarika fikorontanana ara-politika (na dia anaty bitsibitsika sy fihetsika tsy hita aza izany amin'ny ankapobeny). Araka ny fantatsika rehetra, afaka mipoaka mandritra ny alina ny ady sivily. Iray izay. Nefa tsy nisy fototra iorenany izany, sady toa tsy dia nitombina, indrindra noho ny fialan-tsasatra Silamo.

“Sady efa antitra no tsy mitombina ny fialan-tsiny hoe “tsy nahy iny”,” hoy Habari za Kibogoji: [6]

Mieritreritra aho fa fotoana fametraham-panontaniana izao. Iza no tompon'andraikitra eto ary iza no nanipy  baolina in-droa? Sao dia misy amin'ireo izay anaty laharana mila miala na fara-faharatsiny tondroina ho tompon'andraikitra? Antitra loatra sady tsy mitombina ny fialan-tsiny hoe “tsy nahy iny”. Izany no fomba ialan'ny olona amin'ny andraikiny…..melohy Allah, Jesosy ary Andriamanitra.

Amin'ny tontolon'ny twitter, miresaka momba ilay tranga ireo mpampiasa azy amin'ny fampiasàna ny tenifototra #bombsindar. [7]

Shurufu dia milaza [8]:

@Tandile @barbarahassan @fettythebest mba makà sary marobe azafady ary alefaso tweet izay rehetra hitanao. Aza adino ny tenifototra #bombsindar

Olona 4000 eo ho eo no nampiantranoina tao amin'ny Kianja Nasionaly [9]:

Kianja Nasionaly omaly, nitondra rano, akondro, biskoitra ary akanjo http://plixi.com/p/78342183 #bombsindar

[10]

Nitady fialofana tao amin'ny Kianja Nasionaly ny vahoaka. Sary nalain'i @Mbergsma

Voa ny sekoly iray teo amin'ny manodidina [11]:

#bombsindar RT @DocFaustine: Baomba iray nivantana teo amin'ny sekoly http://yfrog.com/h3s67qnj

Manomeza rà [12]:

Raha nanome rà i @mxcarter, (mieritreritra aho fa) tsy manana fialan-tsiny isika rehetra ho an'ny fanaovana asa soa! Ndao #Tanzania #BombsInDar

Chiume dia mi-tweet [13]:

RT @shurufu: Ny tafika mioresaka mivantana amin'ny vahoaka. Tsy mbola nisy toa izao, raha amiko cc @chiume @JMakamba #bombsindar #tanzania

Vokatry ny tsy fahampian'ny fahaiza-mitantana izao loza izao [14]:

Toa tsy mba misy na iray aza ao amin'ny mpitarika mba mijery lavitra na mahay mijery tsara! RATSY be izany-!

Mangataka ny vahoaka tsy hanao resaka manidintsidina [15] ny tafika:

Tafika: ny momba izay niteraka ny fipoahana, aoka isika tsy haminavina ny antony. Ndeha samy hijery izay havoakan'ny fanadihadiana #bombsindar

Tsy naninona ve ireo toerana fametrahana fitaovam-piadiana hafa? [16]:

@shurufu Nisy mpanao gazety ve nanontany ny Jeneraly hoe toerana fametrahana fiadiana firy amin'ireo ananantsika aty amin'ny faritra no mbola mety hipoaka?