- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Andron'ny Fahatezerana Faharoa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ampahany amin'ny tatitra manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Tonga amin'ny andro faharoa izao ny fanoherana misarona fahatezerana any Bahrain. Mpanohitra roa no maty teo ampelatanan'ny mpitandro filaminana noho ny fampiasana hery tafahoatra.

Ireto misy fihetseham-po sasany ao amin'ny Twitter tamin'io andro io:

@alibinkhalid [2]: “@mkalkhalifa:  BTV manaitra… misy fahana mivantana ihany nony ela… tonga soa amin'ny taon-jato faha-21” marina!

[3]@JustAmira [4]: Mampiseho MIVANTANA rond-point Pearl ny TV Bahrain #feb14 http://yfrog.com/h288kwoj

@JustAmira [5]: Satria efa nampiseho hetsi-panoherana ny rond-point Pearl ny BT, afaka mampiseho ireo lahatsary mampahatahotra antsika ao amin'ny Televisionam-panjakana tahaka izany ve izy ireo? #Feb14 #Bahrain

@Ali_Fareed [6]: Mampiantrano adihevitra mivantana mikasika ireo fanoherana tato ato ny BTV eo anoloan'izay. Isan'ny fivoarana tsara eo amin'ny fandaharany #Bahrain #Feb14

@chanadbh [7]: Niteny indrinbdra mikasika ny hetsi-panoherana any Bahrain ny mpanao gazety iray tao anatin'ny fanontaniana napetrany ho an'ny Filoha Obama tamin'ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety! #Feb14

@iLandBahrain [8]: Nanambara ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Atitany tao amin'ny #Bahrain TV fa roa no maty ary mbola mitohy ny fanadihadiana. Amin'izao fotoana izao dia toa mba nandinika tsara noho ireo vahiny hafa nasaina tao amin'ny BTV izy

@YousefMunayyer [9]:  #Bahrain TV: Marina fa manana ahiahy ny vahoaka, kanefa tsy iray ao anatin'izany ny maha to teny ny fitondrana. #feb14

@monaeltahawy [10]: hjetsi-panoherana 4 no indray arahanay: topazo maso ireo tenifototra! #Algeria #Bahrain ary koa #Feb14 #Yemen #Iran ary koa #25Bahman

[11]@MZ5aaan [12]: Sarin'ny hetsi-panoherana ao amin'ny  fihodinan'i Peral avy eny ambony sidina y Pearl amin'ny fihetsiketsehana hita avy eny amin'ny habakabaka #Bahrain #feb14 http://twitpic.com/404m09

@emile_hokayem [13]: Nandeha nohdoina kely tany Manama Sanabis Budeiya sy ny sisa aho. Mpitandro filaminana marobe sy manana endrika mahery setra no miparitaka any. Tokony mampitony ny mpitandro filaminana fa tsy mampitahotra

@ian_black [14]: Tsy mampiseho ny dia-tanan'i Iran tao anatin'io fikorontanana io mihitsy ireo telegraman'ny WikiLeak shttp://gu.com/p/2n5nh/tf

@bintbattuta [15]: Manantena aho fa ny dikan'izany dia tsy hisy intsony  hanontany ahy indray ny toerana misy an'i #Bahrain . #feb14

@nezarradhi [16]: Resaka be #Bahrain aty amin'ny Twitteran'i Kanada!

[17]@mohdalwardi [18]: #Bahrain #Feb14 بدون تعليق! | Tsy misy resaka! http://plixi.com/p/77618454

@reemkhalifa17 [19]: lasa Tahrir-n'i Bahrain ny Pearl sq. Nanomboka fanovàna i Bahrain ary ankehitriny dia manangana tranolay, sy ny sisa izy ireo. Hatory anatin'izany ireo Bahraini sq #Bahrain #Feb14

@angryarabiya [20]: Nitondra kidoro ho an'ireo mpanao hetsika ry zareo #bahrain #feb14

@SayedMohDarwish [21]: Mankany amin'ny fihodinan'i Lulu — Misakafo miaraka amin'ny vadiko #Bahrain #Feb14

@maryamalkhawaja [22]: Vao avy namarana ny resadresaka niarahana tamin'i #aljazeera sy #channel4 london. Manome sakafo ny vahoaka, manamboatra ny tranolay, ary manadio #lulu #feb14 #bahrain

@Yousef_Slais [23]: Tsy mazava ireo fitakiana, Iangaviana ianao Hanazava azy ireny ho an'ny Rehetra raha Te-hahita Olona Maro Hanatrika #feb14 #bahrain #luluroundabout

@SaraMahmood8 [24]: Tao amin'ny fanambaran'i Ebrahim shareef:”tokony hiombona amina hiaka sy fitakiana mitovy” #lulu #bahrain #feb14

@RamiJamal [25]: Ireo izya tia sy mangataka fitokonana faobe dia mangataka anareo aho mba hampiasa ny fomba iombonana. #Bahrain #Feb14 #LuluRoundabout

Ampahany amin'ny tatitra manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.