- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Olona iray no namoy ny ainy nandritra ny fanafihana nataon'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny andro vao mangiran-dratsy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ampahany amin'ny tatitra manokana mikasika ny Hetsi-panoheran'i Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

VAOVAO FARANY (4:27am ora any Bahrain ): vao naheno vaovao izahay hoe nisy olona fanindroany namoy ny ainy nandritra ny fanafihana tampoka.

Efa notaterinay tetsy [2] sy teroa [3] ny fanafihana tamin'ny andro vao  mangiran-dratsy izay nataon'ny mpitandro ny filaminan'i Bahrain an'ireo mpanohitra izay nitangorona tao amin'ny Rond-point Pearl tao Manama renivohitra nanomboka ny 14 February 2011. Ankehitriny dia fantatra fa olona iray no namoy ny ainy nandritra  ny fifandonana.

Ireto avy ny vaovao voahangona hatramin'izay tao amin'ny Twitter:

@emile_hokayem [4]: Araka ny voatatitra vao eo dia olona iray no maty ary olona maherin'ny 200 no naratra ka nampidirina any amin'ny toeram-pitsaboana

@chanadbh [5]: VAOVAO MISONGADINA: Manamafy ny mpanao gazety @MazenMahdi fa olona iray no maty ary olona 200 no naratra tao #Bahrain. Manafika ireo mpanao hetsika tao amin'ny Ron-point Lulu ny mpitandro ny filaminana #Feb14

@maryamalkhawaja [6]: Ety an-dalana ho eny amin'ny  toeram-pitsaboana aho izao hijery ireo olona naratra

@emoodz [7]:  NANAMAFY tamin'ny #bbc i Ibrahim Sharif tao #lulu, tonga dia namely anay izy ireo nefa tsy mba nampitandrina akory #bahrain #feb14

@salehnass [8]: Mijery ny zava-miseho any ivelan'ny lavarangany avy ireo olona amin'ireo trano avobe ao Lulu. Mino aho fa nivarahontsana toa ahy koa izy ireo. #bahrain

@BaghdadBrian [9]: Moa tatitra tsy voamarina ve  no henonay milaza hoe  olona iray farafahakeliny no namoy ny ainy tamin'ny fifandonana tao amin'ny faritr'i #lulu  #avy any amin'i Bahrain??

@maryamalkhawaja [10]: Vaovao mikasika famoizana ain'olona sy olona naratra maro, ho hohamafisiko  izany rehefa voamariko

@BaghdadBrian [11]: Nahita ny rahavaviko aho. Tonga namonjy ny rahalahinareo ny olona rehetra @ martyr square. Nahitana zaza amam-behivavy teny. Naheno hiakiaka izahay raha nirehitra ny trano lay

@ahmedalsairafi [12]: Henonay na aiza na aiza ny  feon'anjombon'ireo fiara  #feb14 #bahrain

@hadeelalsh [13]: #Nanao toy ny saka sy voalavo ireo mpanohitra tao Bahrain niafina ireo mpitandro ny filaminana . Nanempotra ny setroky ny baomba mandatsa-dranomaso, heno ny feom-basin'ireo mpitifitra matihanina #feb14

@JustAmira [14]: Hoy ry kapohy: RT @bahrainlove: @JustAmira @acarvin @hhusaini Tsy feona basy nirefotra iny fa feon-javatra kely nipoaka ka tsy misy tokony atahorana… (cont) http://deck.ly/~1slDQ

@emoodz [15]: Mety hihalefy ny fampiasana ny aterineto any #bahrain, tokony ho vonoina ireo mpanely tsaho izay miparitaka na aiza na aiza.. mba ampitapitao any ny hafatray azafady indrindra.. Fianakaviana maro no notafihana #lulu #feb14

@Sarahngb [16]: Tweets mitatitra fa mihetsika izao ny tafika, miaraka amin'ny fiara mifono vy, ary ny fiara tsy mataho-dàlana mirongo fiadiana. #bahrain

@Sarahngb [17]: Mihevitra ianareo fa moramora ny niainanay izany satria avotra soa aman-tsara izahay, fa tsy izany mihitsy 🙁 Mivavaka ho anareo rehetra aho. #Bahrain

@moftasa [18]: Mihevitra ireo mpanao didy jadona fa hizarazara ny  sain'izao tontolo izao ka tsy hiasa saina amin'ny zavatra ataon-dry zareo aty Bahrain sy Libya amin'izao fotoana izao ny olona.

Ampahany amin'ny tatitra manokana mikasika ny Hetsi-panoheran'i Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.