- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Olana teo amin'ny fanehoan-kevitra, soa ihany fa teo ny Google sy ny Twitter

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Teknolojia

Ampahany amin'ny tatitra manokana mikasika  ny Hetsi-panoheran'i Ejipta 2011 [1].

Androany hariva, vokatry ny fahanginana tanteraka teo anivon'ny aterineto tao Ejipta, dia nanokana fotoana iray hanaovana fanambarana [2]ny tao amin'ny Google sy Twitter (niaraka tamin'ny SayNow, orinasa iray novidian'ny Google vao tsy ela akory izay) : niara-niasa izy ireo teo amin'ny famoronana ny SpeaktoTweet, fomba iray ahafahan'ny vahoaka Ejiptiana miantso nomerao any ivelany ary ahafahan'izy ireo mametraka hafatra izay ampidirina ao amin'ny kaonty Twitter  @speak2tweet [3].  Isan-kariva, dia hita ao amin'ny kaonty Twitter ireo hafatra noraisina am-peo avy amin'ny vahoaka Ejiptiana izay nahafantatra ny fisian'io fitaovana iray io. Vokatr'io tsy fahafahana mampiasa aterineto io, dia heverina ho tamin'ny alalan'ny antso an-tariby mankany na avy any amin'ny namana sy fianakaviana mipetraka any ivelany no nahafantaran'ny Ejiptiana teo an-toerana ny fisian'io fitaovana iray io.

@monasosh [4] dia anisan'ny iray amin'ny mpampiasa azy io; satria araka ny nambaran'ny anadahiny @alaa [5] dia nahita tombontsoa tamin'ny fampiasana an'io fitaovana io izy.  Ny fandraisam-peo ny hafany, izay azo henoina eto [6], dia mivaky toy izao manaraka izao:

Miarahaba anareo aho, I Mona avy aty Kairo ity, te hampahafantatra an'izao tontolo izao fotsiny aho fa tapaka tanteraka ny fifandraisanay avy amin'ny alalan'ny aterineto izay hany ahafahanay mifanerasera amin'izao tontolo izao ary misy resaka mandeha henonay fa ho tapahana koa ny fifandraisana amin'ny alalan'ny antso amin'ny finday.  Noho izany, te hampahafantatra ny tsirairay izany toe-javatra izany aho, ary tsy tiako hitaintaina  ianareo raha toa ka tsy maheno vaovao avy aty aminay intsony momba izay hitranga rahampitso .

Efa nanao an'izany izy ireo taloha, ny hany tsy itovizany fotsiny dia tamin'ny fotoana nanaovan'izy ireo izany dia efa tena nivaralila tanteraka aho; natahotra mafy aho hoe ho vonoin'izy ireo avokoa izahay rehetra ary tsy hisy olona hahafantatra mihitsy ny niafaranay.  Fa ankehitriny, tsy matahotra mihitsy aho na dia kely aza, ohatran'ny hoe te hilaza amin'izy ireo aza aho hoe: ‘Efa vonona izahay!’ Mibitabitaka izahay, faly izahay, ho tonga any an-kianja Tahrir izahay rahampitso, ho betsaka izahay, ary hirotsaka an-dalana izahay haneho ny fanoheranay ka hiala i Mubarak.

[sento kely] Tohano izahay!  Veloma.

Maro amin'ireo antso ireo no tsy nitonona anarana, tsy nilaza ny mombamomba azy ka tsy fantratra ilay miteny na lahy izy na vavy. Nisy antso iray hafa koa avy any Ejipta, izay azonao henoina eto [7], ka mivaky toy izao manaraka izao:

Rahampitso, dia hisy tantara hiseho. Rahampitso, dia hanao tantara isika. Rahampitso, dia hifarana ny fanjakan'i  Mubarak. Rahampitso, tianay handao ny firenenay ianao. Ho ela velona anie Ejipta.

Nahita tombontsoa tamin'ny fampiasana an'io fitaovana iray io koa ny Ejiptiana any ivelan'ny firenena teo amin'ny fampitana ny hafatr'izy ireo mba ho ren'izao tontolo izao. Nilaza [8] ny iray tamin'ny mpampiasa azy io  izay nilaza ny tenany ho metisy Amerikana-Ejiptiana::

…Mahatonga anay hirehareha ianareo, mahatonga anay hirehareha eto Amerika ianareo. Mahereza ry Ejiptiana, mahereza, tia ianareo izahay aty. Ity miteny ity dia sady Ejiptiana no Amerikana ary miteny amin'ny anaran'ireo Ejiptiana-Amerikana rehetra izay nifindra monina taty nohon'ny fanjakana tsy mifaditrovana, mahereza hatrany: mahatonga anay hirehareha ianareo. Afaka i  Ejipta. Tianay ianareo! [Ejipta, renin'izao tontolo izao].

Afaka mahazo tombontsoa amin'ny fampiasana io fitaovana io daholo ny tsirairay amin'ny fiantsoana ny iray amin'ireto nomerao any ivelany ireto sy mametraka hafatra: +16504194196 na +390662207294 na +97316199855. Ary tonga dia mankany amin'ny @Speak2Tweet [3] ny hafatr'izy ireo vantany vao voapetraka.

Ampahany amin'ny tatitra manokana mikasika  ny Hetsi-panoheran'i Ejipta 2011 [1].