19 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 19 Febroary 2011

Bahrain: Olona iray no namoy ny ainy nandritra ny fanafihana nataon'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny andro vao mangiran-dratsy

Efa notaterinay tetsy sy teroa ny fanafihana tamin'ny andro vao mangiran-dratsy izay nataon'ny mpitandro ny filaminan'i Bahrain an'ireo mpanohitra izay nitangorona tao amin'ny Rond-point Pearl tao Manama renivohitra nanomboka ny 14 February 2011. Ankehitriny dia fantatra fa olona iray no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana.

Ejipta: Olana teo amin'ny fanehoan-kevitra, soa ihany fa teo ny Google sy ny Twitter

Androany hariva, niara-niasa ny Google sy Twitter teo amin'ny famoronana fitaovana iray ahafahan'ny Ejiptiana mandefa tweet...amin'ny alalan'ny fametrahana hafatra. Vokatry ny tsy fahafahana mampiasa aterineto, dia manampy ny Ejiptiana io fitaovana io amin'ny fiantsoana numerao any ivelany amin'ny alalan'ny finday sy ahafahan'izy ireo mametraka hafatra ho an'izao tontolo izao.