Tantara tamin'ny 18 Febroary 2011
Bahrain: Vaovao miely momba ny Fanaparitahana tao amin'ny Rond-point Pearl
Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011. Vavolombelona nanatri-maso sy tatitra maro samihafa avy ao amin'ny Twitter no misesika tonga mikasika ilay fanafihana...
Thailand: Mpitantana Tranonkala Miatrika Fitsarana
Tonian-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao iray tsy miankina no miatrika fitsarana any Thailand fa hoe nanitsakitsaka ny Lalàna momba ny Heloka Bevava Atao amin'ny alalan'ny Solosaina. Manara-maso akaiky mihitsy ny fitsaràna an'i Jiew ireo mponin'ny aterineto, ny mpanao gazety ary ireo mpiaro ny zon'olombelona. izay tohina mahita ny toerana misy ny fahalalahan'ny aterineto any Thailand
Bahrain: Mipongatra ny Fanoherana Ao Amin'ny Hopitalin'i Salmaniya
Tonga hatrany amin'ny hopitalim-bahoaka lehibe indrindra eto amin'ny firenena ny sakoroka, taorian'ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka tamin'ny Alakamisy 17 Febroary natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny rond-point Lulu. Nanao hetsika ireo mpitsabo mba ho afaka manome fitsaboana maika ho an'ireo maratra ireo. Vakio raha te hahita ny zava-mitranga any.