- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Fiara Mifono Vy Mizotra Mankany Manama Renivohitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay mikasika ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1].

Taorian'ilay fanafihana vao maraim-be [2] tamin'ity Alakamisy 17 Febroary 2011 ity, natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny rond-point Lulu tao Manama renivohitry ny Bahraini, mivoaka izao ny tatitra momba ny fisian'ireo fiara mifono vy manatona ny tanàna..

@ahmed289 [3] @yslaise [4] http://plixi.com/p/77971560

Army vehicles in Riffa heading towards the Bahraini capital Manama. Image by @ahmed289. [5]

Fiaraben'ny tafika ao Riffa mitodi-doha ho any Manama renivohitry ny Bahraini. Sary avy amin'i @ahmed289.

Ity lahatsary [6] avy amin'i Ali Al Saeed, mpampiasa TwitVid ity, dia maneho fiara mifono vy mizotra mankany Manama avy ao amin'ny tanàna mpifanolo-bodirindrina, Riffa.

@alialsaee [7]d http://twitvid.com/IMZKO [8] – Fiaraben'ny tafika mirongo fiadiana mizotra ho any Manama avy ao Riffa.

@ammar456 [9]: Fiara mifono vy eny an-dalambe migodana: http://twitpic.com/40m8x8 #bahrain #feb14 #lulu

Bahrain Army Tanks on Shaikh Khalifa Highway heading towards Manama. Image by Twitter user @ammar456. [10]

Fiara mifono vy an'ny tafika ao Bahrain, tao an-dalambe migodanan'i Shaikh Khalifa mitodi-doha hihazo an'i Manama. Sary avy amin'i @ammar456, mpampiasa Twitter.

Ireo no hany sary roa voamarina fa navoaka satria noraofin'ny polisy manodidina an'i Manama daholo ny finday azo hakàna sary teny amin'ny olona raha vao tratra makamaka sary; mandefa bitsika mikasika izay indrindra ilay mpitoraka bilaogy, Redha Haji:

@RedhaHaji [11] voasakana tao amin'ny sampanan-dàlan'i salmaniya. Mody miresaka sady maka sary amin'ny finday #bahrain #lulu #feb14 http://yfrog.com/h77cjamj

Police near Qufool Intersection near Salmaniya Hospital. Image by Twitter user @RedhaHaji. [12]

Polisy eo akaikin'ny sampanana ao Qufool akaikin'i Hopitalin'i Salmaniya. Sary avy amin'i @RedhaHaji, mpampiasa Twitter

@RedhaHaji [11] Nohidiako tamin'ny tenimiafina ny finday talohan'ny nanomezana azy an-dry zareo. Mipetraka miandry ato anaty fiara. Navela nandeha aho #bahrain #lulu #feb14 mangovitra tsy afaka mitendry.

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay mikasika ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1].