- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Lahatsarin'ilay Fanafihana Vao Mangiran-dratsy Tao amin'ny Rond-Point Lulu

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Protests 2011 [1].

Vao niposaka ny andron'ny Alakamisy 17 Febroary 2011, nanodidina ny tamin'ny 3 ora maraina tao Bahrain, dia notafihan'ny polisy mpandrava korontana ireo mpanao fihetsiketsehana resin-tory nanodidina ny rond-point Lulu, ivon'ny hetsika fanoherana atao hoe  Andron'ny Hatezerana [2] mitranga ao Bahrain amin'izao fotoana. Indreto lahatsary vitsivitsy avy amin'ireo hetsika nivoaka hatreto.

Avy amin'ny kaonty YouTube alibh1 [3]:

http://www.youtube.com/watch?v=eYozYph6OVU [4]

Avy amin'ny kaonty YouTube albahrain2011 [5]:

Lahatsary iray ahitana ireo polisy mpandrava korontana teo amin'ny lala-manapaka ny rond-point Lulu the Lulu [6] avy amin'ny kaonty Twitter @tariqal [7].

Ny Ministeran'ny Atitany dia namoaka fanambarana [8] iray tao amin'ny tranonkala ofisialin-dry zareo momba ny zava-nitranga

IZAHO:

Ny mpitondra tenin'ny Ministry ny Atitany, Brigadier Tariq Hassan Al Hassan, dia nanambara fa nodiovin'ny hery mpitandro filaminana tsy hisy mpanao fihetsiketsehana ny faritry ny rond-point Pearl, taorian'ny andrana rehetra ho fifanakalozan-kevitra tamin'izy ireo, izay noraisin'ny sasany tamin'izy ireo tsara ka nialany moramora. Ny hafa nandà tsy hanaraka ny lalàna ka nitarika tamin'ny fidirana an-tsehatra hanalàna azy ireo.

Nanazava izy fa nitandrina tokoa nihazona ny fahatoniany ireo mpitandro filaminana ary nifandray tamin'ireo mpitarika ny fihetsiketsehana mba hanatsaharana amin'ny fomba milanina ny fitorevahana, mba ho fampiharana ny lalàna eto amin'ity tany tan-dalàna ity, raha ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana kosa nanararaotra izay rivo-pitoniana izay hametrahana fomba fanao tsy manara-dalàna sy hanelingelenana ny olom-pirenena ary ireo mponina manodidina amin'ny fanakanana azy ireny eny amin'ireo toeram-pisavàna natsangan'izy ireo ho an'ny fiara sy ny mpandalo manodidina an'ilay faritry ny rond-point.  Raisina ho toy ny fandikàna an-kitsirano ny lalàna izany fomba fanao izany, izay manaparitaka tahotra eny anivon'ny vahoaka sy miantraika amin'ny asa fihariana ara-barotra sy ny toe-karena.

Nanamafy ilay mpitondra teny fa ny Ministeran'ny Atitany dia naharay fitarainana maro avy amin'ny olona mikasika ny fiantraikany goavana amin'ny isam-batan'olona sy ny ara-toekarena mahazo azy ireo. Nolazainy fa ny fihetsiketsehana amin'ny faritra tena havokavoka toy itony dia misy fiantraikany goavana tokoa eo amin'ny toekarem-pirenena, ny fifanakalozana ara-barotra,  ny fizahantany ary ny tombontsoam-bahoaka sady  niteraka fikorontanan'ny fifamoivoizana.

Niantso ny vahoaka mba hanaja ny lalampanorenana sy ny lalàna ny Brigadier Al Hassan amin'ny fampiharan-dry zareo ny fahafahana maneho hevitra, ka hampiseho fitiavan-tanindrazana sy fiheverana ny tombontsoam-pirenena.

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Protests 2011 [1].