- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ilay lehilahy ao an-damosin'i Omar Suleiman

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

Ity lahatsoratra itu dia iray amin'ny amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny  Fanoherana tany Ejipta taona 2011 [1].

Nandritra ny herinandro lasa, nahasarika ny fijerin'izao tontolo izao ny toerana toa ny Kianja Tahrir [2], Suez sy ny KFC [3], ary koa ny anarana toy ny an'i Wael Ghonim [4], Omar Suleiman [5] sy i Hosni Mubarak [6]. Nefa ora vitsy taorian'ny nanonganan'ny vahoaka Ejiptiana ny fitondrana, dia nirona tamin'ny olona iray ny saina – ilay lehilahy ao an-damosin'i Omar Suleiman':

Omar Suleiman, and the guy behind Omar Suleiman. Still from Egyptian television, widely available in public domain. [7]

Omar Suleiman, sy ilay lehilahy ao andamosin'i Omar Suleiman.Avy amin'ny fahitalavitra Ejiptiana ihany, saingy azon'ny rehetra alaina malalaka.

Hita ao andamosin'ny filoha lefitra Ejiptiana ity olon-tsy fantatra ity tamin'ireo lahateniny nandritra ny korontana. Tsy misy mahay ny anarany, na ny ataony, nefa tsy nanakana ny olona izany amin'ny hananganana pejin'ny Facebook ho azy amin'ny anarana hoe ‘Ilay lehilahy ao ambadik'i Omar Suleiman [8]‘.

Tsy nitsahatra ny resabe nanodidina ity lehilahy ity teo amin'ny pejin'ny Facebook, izay nahitana mpankafy miisa 40,000 talohan'ny namafana azy taty aoriana kely; misy ihany koa ny kaonty Twitter [9] sy ny tenifototra [10] natao ho azy. Ireto misy tweet mampihomehy vitsivitsy:

@aelgebal [11]: manana an'i Batman sy Superman Etazonia, isika manana ny #TheGuyBehindOmarSuleiMAN [12]
@KetyDC [13]: Tokony samy hanana ny #TheGuyBehindOmarSuleiman [12]-ny ny revolisiona tsirairay
@moeBelal [14]: عاجل: بعد اتساع شهرة الراجل للي ورا عمر سليمان، عمر سليمان يغير اسمه إلى الراجل للي قدام الراجل للي ورا عمر سليمان
@moeBelal [14]:Vaovao farany: taorian'ny lazan'ilay lehilahy tao andamosin'i Omar Suleiman, dia nanapa-kevitra i Omar Suleiman hiova anarana ho ilay lehilahy eo anoloan'ilay lehilahy ao andamosin'i Omar Suleiman
@abdelazizMD [15]: أنباء غير مؤكدة عن جلوس الراجل الواقف ورا عمر سليمان
@abdelazizMD [15]: Vaovao tsy mari-pototra hoe nipetraka ilay lehilahy nijoro tao andamosin'i Omar io
@o_salem [16]: للإخوه اللي بيتريقوا على الراجل اللي ورا عمر سليمان، الراجل ده حارب في 3 حروب واستشهد مرتين، ياريت نقدره وكفايه 😀
@o_salem [16]: Ho an'ireo rehetra izay manala ilay lehilahy ao andamosin'i Omar Soliman, aoka ianareo hanaja azy, nandray anjara fahiny tamin'ny ady miisa telo izy ary efa indroa maty teo aloha.

Ny mpampiasa Twitter Malak El Ezzawy dia nanapa-kevitra ny hanaraby ny laingan'ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana sy ny nataony hitsipahana ny zava-nitranga farany nandritra ny  revolisiona.

@ezzawy [17]: Fahitalavi-panjakana Ejiptiana: Tsy misy olona ao andamosin'i Omar Suleiman.

Ahitana kaonty sandoka ihany ihany koa ao amin'ny Twitter ho an'ireo lohandohany tao amin'ny fitondrana niongana, ahitana an'i Hosni Mobarak [18] sy i Habib El Adly [19], ary tena azo antoka fa nandray anjara tamin'ny raharaha #TheGuyBehindOmarSuleiman izy ireo.

@HosniMobarak [20]: Iriko ny ho tsotra kokoa mba hanana #TheGuyBehindOmarSuleiman hijoro eo aoriako.
@HabibElAdly [21]: Sahirana mafy miezaka misambotra sy mampijaly an'ilay #TheGuyBehindOmarSuleiman

Nisy ihany koa ny fanamboarana sarisary anaty aterineto; ireto misy santionan-tsary nangonina tao amin'ny kaonty BehindOmar TwitPic [22]:

The movie 'Inception' all over again... Image from TwitPic account BehindOmarSuleiman. [23]

Ny horonantsary'Inception' miverina indray… sary avy amin'ny kaonty TwitPic an'i BehindOmarSuleiman.

Dia ahoana raha i Omar Suleiman sy ilay lehilahy ao andamosin'i Omar Suleiman no mifamadika toerana?

The camera man was just checking the white balance... Image from TwitPic account BehindOmarSuleiman. [24]

Teoo am-panamarinana ny fatran'ny loko fotsy mihitsy ny mpaka sary … sary avy amin'ny kaonty TwitPic an'i BehindOmarSuleiman.

Mock Egyptian cabinet meeting held in front of a picture of the 'man behind Omar Suleiman'. The news feed at the bottom says "Huge demonstration held at Tahrir Square to discover the identity of the man behind Omar Suleiman'. Image from TwitPic account BehindOmarSuleiman. [25]

Fihaonan'ny Kabinetra Ejiptiana natao teo anoloan'ny sarin'ny 'man behind Omar Suleiman'. Ny vaovao azo etsy ambany dia milaza hoe "fihetsiketsehana goavana no misy ao an-kianja Tahrir hahafantarana ny mombamomba ilay lehilahy aorian'i Omar Suleiman". Sary avy amin'ny kaonty TwitPic ani BehindOmarSuleiman.

Farany, fantatra ihany ilay lehilahy fa hoe ny lietna kolonely Hussein Sharif ao amin'ny tafika Ejiptiana. Olona maro no mihevitra amin'izao fotoana izao fa tsy mendrika hatao intsony ny manaraby azy , ka nofafana ny pejin'ny Facebook voalaza teny ambony.

Vaovao hafa indray izao no namboarina, mangataka ny olona hiala tsiny aminy [26] taorian'ny nanaovana azy ho ivon'ny ‘fanalana azy’ tsy nahy.

Ity lahatsoratra itu dia iray amin'ny amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny  Fanoherana tany Ejipta taona 2011 [1].