- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fanantenana, Hafaliana, Faniriana satria nahazo fahafahana i Ejipta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Zon'olombelona

Niarahaba ny fandehanan'ny [1]filoha Ejiptiana Hosni Mubarak [2] androany ny mpitoraka bilaogy Ejiptiana miaraka amin'ny hafaliana sy ny faniriana. Tena fifandrifian-javatra mahazendana mihitsy hoe ny andron'ny faha 32 taonan'ny revolisiona 1979 [3] naharava ny Shah no niala i Mubarak.

Manararaotra ny fotoana ihany koa ny mpitoraka bilaogy sasany hampatsiahivana ny mpamaky fa mangataka fihetsiketsehana ny Hetsika Maitso amin'ny Alatsinainy 14 Febroary amin'ny anaran'i Ejipta sy i Tonizia [4]. S

Mamlkate Darim? (midika hoe ‘Firenena iza?’) dia manoratra hoe [5]:

Natory nandritra ny 18 andro teny an-dalambe ny Ejiptiana  ary faly izy ireo ankehitriny. Isika, Iraniana, natory 32 taona [milaza ny revolisiona 1979 ]. firenena hoatry ny ahoana ny antsika?

Sedaye Zendani (midika hoe ‘Feon'ny voagadra’) dia milaza [6]hoe [fa]:

Nahazo ny zony ny vahoaka Ejiptiana. Hidina an-dalambe izahay amin'ny Alatsinainy, 25 Bahman [14 Febroary] ary hankalaza izany ho anao. Natao hanana zo mitovy amin'ny vahoaka Ejiptiana isika , fa izy ireo fetsy kokoa ka dia nahazo izany alohaloha noho isika. Ankehitriny isika, tsy maintsy midina an-dalambe hangataka ny zontsika, ary hankalaza ny hetahetan'ity firenena ity hoan'ny fandresena. Mba hankalazana ny fandresen'ny firenena, dia tsy mila isika na mpitarika na alàlana.

Mihanparast (midika hoe’ Tia Tanindrazana’) dia manoratra [7] [fa] manabaty hoe, “Fa maninona moa i Mubarak no tsy maintsy nitsoaka, afaka niandry roa andro izy ary nandeha niaraka tamin'i Seyed Ali [Ayatholah Khamenei].”

Miarahaba [8][fa] ireo rahalahy sy anabavy Ejiptiana i Rag be Rag ary milaza hoe, ny fanalahidin'ny fandresena dia ny fanasarahana ny finoana sy ny fanjakana. 

Greenlights dia manoratra [9] [fa] fa ho an'ireo rà latsaka an-tany dia handray anjara amin'ny hetsika amin'ny 14 Febroary izy.