- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Wael Ghonim navotsotra?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Teknolojia, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Ejipta 2011 [1].

Fanampim-baovao:Naheno tsaho mifanohitra maro izahay momba ity tantara ity any an-toerana ary miandry porofo bebe kokoa manamarina fa navotsotra i Ghonim.

Mandritra izany, ny The Wall Street Journal [2] dia niresaka tamin'ny loharanom-baovao avy ao amin'ny Departemantam-panjakana amerikana, izay nilaza fa naharay fanamarinana fa navotsotra i Ghonim.

Navotsotra androany i Wael Ghonim (07/02), Ejiptiana mafàna fo amin'ny aterineto sady mpiasan'ny Google, noho ireo Ejiptiana mbola manohy mangataka ny fifaranan'ny fitondràn'i Mubarak.

Mitohy ny tolona manerana ny faritra ho an'ny andro faha-14 manerana an'i Ejipta miantso an'i Hosni Mubarak hiala tsy ho mpitondra intsony. Ghonim, izay nanjavona tamin'ny 28 Janoary, dia notondroin'ireo mpitolona tao amin'ny Kianja Tahrir ho mpitondra tenin-dry zareo, mba hanerena ny governemanta hamotsotra azy. Nanomboka tamin'nyantso tamin'ny facebook ny tolona, tamina vondrona iray izay voalaza fa notantanan'i Ghonim, sy media sosialy hafa izay nanomboka antso manerana ny firenena ho an'ny fanovàna.

Nanambara ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana fa havotsotra amin'ny 4ora hariva any Kairo i Ghonim, nefa niandry ora iray mahery ny mpanohana azy izay vao tena nohamafisina ny famotsorana azy.

Na dia manamafy aza ireo masoivoho mpampahalala vaovao, mpi-tweet ary ireo fifandraisana fa navotsotra i Ghonim, mitaky porofo mazava kokoa ny mpampiasa aterineto maneran-tany.

@bencnn [3]: Navotsotra i Wael @Ghonim. #Tahrir #Egypt #Jan25

@AJELive [4]:  Navotsotra i Wael Ghonim, mpiasan'ny Google sady mafàna fo ara-politika, nosamborin'ny mpitandro filaminana Ejiptiana tamin'ny 25 Janoary. #Egypt

@Dima_Khatib [5]: VOAMARIN'ny loharanom-baovao maro ankehitriny: tena AFAKA tokoa ilay mafàna fo Wael Ghonim #jan25 #egypt

@Hisham_G [6]:  Oay! RT @HalaGorani: RT @IvanCNN  antso an-tariby miaraka amin'i Hazzem Ghonim. Miteny izy fa tsy nahafantatra mihitsy hoe navotsotra i  Wael Ghonim. #Jan25 #Ghonim

Ny mpi-tweet Saodiana Essam Al Zamil dia manoratra [7] (Ar):

ننتظر رؤية صورة جديدة لوائل غنيم في ميدان التحرير.. او تويتة من حسابه.. عشان نرتاح مية بالمية #jan25 #Ghonim @Ghonim
Dia efa miandry sary vaovaon'i Ghonim any amin'ny Kianja Tahrir izahay na fara-faharatsiny tweet iray avy amin'ny kaontiny .. mba hampitoniana tena

@Dima_Khatib [8]:  Maro aminareo no milaza hoe: raha tsy mahavaky tweet iray avy amin'ny @Ghonim aho tsy hino fa afaka izy. TSY MISY fahatokisana amin'ny FITONDRANA mihitsy ny vahoaka! #jan25 #egypt

@Ambitionissta [9]: @AJArabic mila porofo marina izahay fa navotsotra izy, hatramin'izao aloha dia vaovao nangonina ihany izany! sary #Jan25 azafady! @ghonim

Ny sasany dia mila manamafy amin'ny tenany mihitsy:

@Salma_ts2al [10]: tab iza no manana ny laharan'antson'i wael @Ghonim? azafady #Jan25 #Egypt

@hkhalifa [11]: @Ghonim tongasoa. Makà aina tsara dia lazao an'izao tonolo izao ny zava-nitranga.

Ghonim dia mi-tweet ao amin'ny @Ghonim [12]. Manaraha tsy tapaka ho an'ny fanampim-baovao rehefa miditra amin'ny aterineto i Ghonim ary lazao anay ny tantarany.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Tolona Ejipta 2011 [1].