- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: “Al Jazeera, Miangavy mba hotaterina ny eto Iran Tahaka Izay Nataonareo Tany Ejipta”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety

Raha  nameno ny tontolo virtoaly [1] mba handrisika ilay hetsika nosakanana tamin'ny fomba ofisialy tokony hisy ny 14 Febroary (25 Bahman) amin'ny anaran”ny vahoaka Ejiptiana sy Toniziana ireo Iraniana mafàna fo amin'ny aterineto, dia pejy Facebook iray no natsangana [2] handrisihana ny Al Jazeera mba handrakotra ilay hetsika.

[2]Misy sary iray ao amin'io pejy Facebook io izay milaza hoe “Al Jazeera, miangavy mba hotaterina ny eto Iran tahaka izay nataonareo tany Ejipta”. Nahasarika mpankafy mihoatra ny 3500 ilay pejy hatreto.

Semohos manoratra hoe [3] [fa]:

Tahaka ny alika ireo mpanao jadona, raha mandositra isika dia hanaikitra antsika izy, fa raha manafika azy isika, handositra ry zareo. Manomboka amin'ny Alatsinainy dia hanafika miaraka isika mandra-pahazo fandresena.

Afkar Sabz manoratra hoe [4] [fa]:

Roa andro mandra-pahatongan'ny hetsika, tokony  manakatra vovonana isika ka hikiaka ny hoe  Allaho Akbar (Lehibe Andriamanitra) ka hankahery ny ankohonantsika sy ny namantsika hanatevin-daharana ny hetsika amin'ny Alatsinainy.

Ity lahatsary ao amin'ny Youtube ity dia maneho ireo Iraniana mikiaka ny hoe “Allaho Akbar” tao Tajrish, Tehran omaly alina.