Tonizia: Miala any ny Ady ho an'ny Demaokrasia

Iray volana eo izao no nandosiran'ilay filoha Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ka nandeha nialokaloka any Arabia Saodita, tao anatin'ireo fitakiana maro nifanesy nanerana ity firenena ao Avaratr'i Afrika ity izay  nitakiana ny fialàny. Ho an-dry zareo Toniziana, na izany aza, tsy mbola vita akory ny ady, ary  ny fanendahana ilay mpanao jadona tsy midika velively fa tapitra hatreo ny jadona. Ny marina, matetika ny Toniziana no mamaritra ny fitondrana jadon”i Ben Ali nandritra ny 23 taona ho toy ny orita voatapa-doha, fa tsy ny tanany.

A protest for the dissolution of the RCD. Photo by

Hatramin'ny nidarabohan'ny fitondran'i Ben Ali, mihetsika manao izay handravàna ny antokon'ny mpitondra taloha hàlam-bahoaka ireo mpanao fihetsiketsehana, ny RCD  (Rassemblement Constitutionnel Démocratique), izay mifamatotra amin'ny resaka kolikoly, famoretana, fanaovana jadona ary, raisina ho toy ny loza mitatao ho an'ny fizoran'ny tetezamita ho any amin'ny demaokrasia. Ampangaina ho mamafy faharavana sy fanakorontanana ny firenena ihany koa ny RCD taorian'ny fiafaràn'ny fitondran'i Ben Ali. Avy eo, tsy mahagaga raha feno fankahalàna  RCD ny vahoaka Toniziana sady mitady izay hanapahana ny fifamatorana amin'ny lasa.

Abdallah Belakhoua (@Abdallah__B) miantso ny Toniziana mba hijanona anaty firaisankina ka hifantoka amin'ny tanjona tokana goavana, dia  ny fandravàna ny  RCD:

Les vieux clowns de l'RCD veulent nous voir désunis et égoïstes, pour qu'on les oublient, on doit rester UNIS et FORT #tunisie

Ireo antitra katsikana ao amin'ny RCD dia maniry ny hahita antsika misamatsamaka sy samy maka ho azy, ary avy eo hanadino ny fisian'izy ireo. Mila MITAMBATRA sy MATANJAKA isika.

Manampy izy:

J'apel tous les tun à NE PAS dériver vers les demandes scindés; ils veul nous fair oublier notr prncpal objctif : ENTERRER l'RCD #sidibouzid

Miantso ny Toniziana rehetra aho: tandremo voasarika hihataka sy hamakivaky ny zavatra ilaina, Irian-dry zareo ny hanadinoantsika ny tena tanjona fototra: Handevina ny RCD.

Abdrabba Yassine, Toniziana iray injeniera informatika, dia mametraka fanontaniana mavesa-danja iray: Hatraiza ny fahavononan'ireo mpikambana ao amin'ny RCD hamotsotra ny tombontsoan-dry zareo ho an'ny tombontsoan'ny rivo-panovàna ao Tonizia?

هل من السهل أن يقبل أناس كانت لهم سلطات غير محدودة و مداخيل غير محصورة أن يتخلوا عن تلك المتيازات ببساطة #tunisie #rcd #degage

Ho mora amin'ireo misitraka fahefana tsy manam-petra sy karama be ve ny hamoy fotsiny eo ireny tombontsoa ireny?

Na dia niala tamin'ny RCD aza ny praminisitra ankehitriny, Mohammed Ghannouchi  ary tsy voaloton'ny resaka kolikoly  ny tantara ara-politikany, dia voakiana sy voapanga ihany izy ho niray tsikombakomba tamin'ny antoko faran'izay hàlan'ny olona tao Tonizia.

Amin'ny fampiasàna teny henjana, Alyssa, Toniziana iray mpitoraka bilaogy, dia tsy manafina mihitsy ny tsy firaharahàny ny PM Mohammed Ghannouchi:

Monsieur Mohammed Ghannouchi, je ne vous aime pas, je ne vous ai jamais apprécié et cela ne risque pas de changer. Je ne souhaite pas vous connaitre davantage, dans l’espoir de déceler chez vous quelque vertu cachée, car vous êtes malheureusement affublé d’un défaut majeur : la lâcheté.

Atoa. Mohammed Ghannouchi, tsy tiako ianao, Tsy nankasitraka anao mihitsy aho hatrizay ary matahotra aho fa tsy hiova velively izany. Tsy maniry ny hahafantatra anao akory aho mba ho hamantarana izay mety ho toetra tsara kely anananao, satria indrisy, manana tsy fahatomombanana goavana ianao: kanosa toy ny omby.

Khem (@TunisianCityzen) mandefa bitsika:

Qui est il Ghannouchi pr donner au peuple tunisien des lecons de démocratie ?? Lui qui a soutenu la dictature pdant 13ans !!!

Fa mba iza moa i Ghannouchi no hihevitra hanome lesona momba ny demaokrasia ny vahoaka Toniziana, dia izy izay nanohana ny fitondrana jadona nandritra ny 13 taona.

Houssem HAJLAOUI, Toniziana iray mpitoraka bilaogy dia  nanoratra lahatsoratra iray mitondra lohateny hoe: ” Ireto ireo fahavalon'ny fiovàna, sy ny nofinofy hahita Tonizia afaka”.

Ho azy, ny RCD sy ny governemanta vonjimaikany dia isan'ireny fahavalo ireny.

Hoy izy miteny:

التجمّع الدستوري الديموقراطي

نعم هو معلّق النشاط و حلّه مسألة وقت ولكن خلاياه السرطانيّة منتشرة في كل مكان. و ما دام الرأي العام في تونس لا يعلم بدقّة تقدّم عمل لجنة التحقيق في الفساد، فمن المنطقي اعتبار التجمّع الدستوري الديموقراطي خطرا قائما على الثّورة و على مستقبل المشروع الديموقراطي في تونس

Marina fa naato daholo ny asan'ny antoko RCD ary efa resaka fotoana sisa ny fandravàna azy, saingy mbola eny rehetra eny ireo sela homamiadany. Ary raha mbola tsy mahafantatra tsara ny firosoan'ny kaomisiona mpanadihady mikasika ny kolikoly ny vahoaka Toniziana, dia tsy hahagaga ny RCD raha raisina ho toy ny loza mitatao ho an'ny revolisiona sy  ny hoavin'ny tetikasa demaokratika eto Tonizia.

Manampy izy:

الحكومة المؤقّتة
لا يمكنني أن أصفها بعدوّة الثورة لأنّني أجهل نواياها و لكن الوقت الذي تضيّعه و ضلوعها في سياسة التهميش و بعض الخطوات التي قامت بها تجعل مراقبتها و المحافظة على ضغط قار عليها أمر حتمي
Ny governemanta vonjimaika:
Tsy haiko faritana ho toy ny fahavalon'ny revolisiona  izy ity satria tsy misy  fantatro izay tiany hatao. Na izany aza, ny governemanta vonjimaika dia mandany fotoana, tafiditra amin'ny politikan'ny fanilihana ary tsy mandeha ilàlany ny dingana sasantsasany noraisiny. Noho izany, tsy azo ihodivirana ny fanaraha-maso azy ity sy ny fanohizana ny fanaovana tsindry aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.