- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Alzeria: Mpanao Fihetsiketsehana Voasambotra, Voadaroka tamin'ny Diaben'ny #Feb12

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Alzeria, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Politika, Vaovao Mafana

Efa nahafaka mpanao jadona roa sahady ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tonizia sy Ejipta saingy ny manampahefana Alzeriana kosa mbola nahita fahombiazana hatrany amin'ny fanakanana ireo hetsi-panoherana izay nanomboka avy hatrany taorian'ny hetsiky ny Toniziana [1] tany am-piandohan'ny volana Janoary 2011.

[2]

Fanoherana Alzeriana avy tao amin'ny pejy facebook-n'ny RCD Algerie

Lahatsary ahitàna an'ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony no efa tafakatra ao amin'ny Youtube sy  facebook. Ity lahatsary manaraka ity dia nampakarina tamin'ny 12 -Febroary tokony ho tamin'ny 11 ora ao Londona ary mampiseho ny fisamborana an'ireo mafàna fo maro tamin'ny fifandonan'ireo mpitandro filaminana tamin'ireo mpanao fuhetsiketsehana tao anatin'ny hogahoga:

Nanomboka nivoaka koa ny sarin'ireo olona naratra, tahaka ity sarin'ny  Solombavam-bahoaka Alzeriana Derguini Boubekeur mangana [3] eo amin'ny handriny ity:

[4]

Ilay Solombavam-bahoaka Alzeriana Derguini Boubekeur naratra nandritra ny hetsika, avy amin'ny pejy facebook-n'ny hurt during protests via RCD Algerie facebook page

Ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa twitter ao Alzeria dia samy nandefa fanavaozam-baovao avy any amin'ny fihetsiketsehana daholo.

Ohatra, Nidhal ao amin'ny bilaogy Algérie-politique manoratra momba ny 11 Febroary [5]:

Alger. 19h00. Des dizaines de policiers anti émeutes ont encerclé le siège régional du RCD à Didouche Mourad à Alger.

Algiers. 19h00. mpitandro filaminana ampolony maro voaofana hiatrika korontana no nihodidina ny foibem-paritry ny RCD ao Didouche Mourad ao Alger.

Ny fanovàana tany Tonizia sy Ejipta no mazava tsara izao fa tao an-tsain'ireo Alzeriana.

Lehilahy iray tsy an'asa, 36 taona, no nandoro tena ary maty tany -Atsinanan'ny tananan'i El Oued, mitatitra ny Algerie Politique [6](fr):

Ce vendredi, un chômeur de 36 ans qui s'était immolé par le feu dans la ville d'El Oued, à l'extrême est de l'Algérie, a succombé à ses brûlures. Lotfi Maamir, père de six enfants, est mort au service des grands brûlés de l'hôpital de Douera, dans la banlieue sud-est d'Alger, selon cette source. Il s'agit du quatrième décès par immolation enregistré en Algérie depuis la mi-janvier.

Lofti Maamir, niteraka 6, maty teo amin'ny sampana vonjy taitra tao amin'ny Hopitalin'i Douera, any atsimo-atsinanan'i Alger, araka ny loharanom-baovao. Io no faninefany tamin'ny fandoroana tena nisy nanao tany Alzeria hatramin'ny tapaky ny volana Janoary.

Satria i Mubarak voahilika niala an'i Ejipta, tsy vitan'i Djazair avant tout, Alzeriana mpitoraka bilaogy, ny tsy hampitovy azy ity tamin'ny fihaonana ara-panatanjahantena baolina kitra Ejipta-Alzeria tamin'ny taona lasa izay niafara taminà fifandonana ka dia nampakatra ity sariitatra manaraka ity izy izay milaza fa [7] (fr):

Voahilika teo amin'ny fitondrana i : Ejipta 1 – Alzeria 0 ” tsy maintsy manasahala isika. Manilika an'i Boutef ” (Anaram-petaky ny filoha Alzeriana)

[8]

Naneho hevitra tamin'ny alalan'ny Djazair avant tout i Dilem,  Alzeriana mpanao sariitatra

Hetsi-panoherana mitovitovy amin'izany no natao tao an-tananan'i  Oran araka ny  fanavaozana anaty live stream [9] hita anaty bilaogy maro.

Mpampiasa iray ao amin'ny Facebook no nampakatra ny fanavaozana manaraka eto mikasika ny diaben'ny 12 Feb [10] (fr):

Les jeunes envoyées par la police pour agresser les manifestants se sont retournés contre leurs sponsors. Ils se sont mêlés aux manifestants pour scander Bouteflika dégage. Ils expliquent leur retournement par le fait qu'ils ont été manipulés

Nivadika tamin'ireo naniraka azy ireo tanora nalefan'ny polisy mba handranitra ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanatevin-daharana ireo mpanao fihetsiketsehana izy ireo ankehitriny mba huikiaka ny hoe Miala i  Bouteflika. Manazava ny fanapahan-keviny izy ireo ho noho ny nahatsapan-dry zareo fa nolalaovina izy ireo ( nataon'ny polisy)

Ao amin'ny twitter, ireo Alzeriana mpampiasa twitter dia miantso fanohanana ny tolona ataony amin'ny fahana twitter miaraka amin'ny tenifototra  #feb12. [11]