- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Fifalian'ireo Ejiptianina rahalahintsika!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Ejipta, Fanoherana, Vaovao Mafana

Ao anatin'ny fihetsehim-pon'izy ireo tamin'ny fandrenesana fa hoe nametra-pialàna i Hosni Mubarak, niarahaba ireo tanora Ejyptianina iny Saodiana tamin'ny fandreseny, indrindra ireo tao an-kianjan'i Tahrir tao afovoan'i Kairo, ivon'ny hetsi-bahoaka goavana nanozongozona an'i Ejipta efa ho 18 andro nangatahana ny hiatoan'ny fitondran'i Mubarak.

Faly izahay! Tena faly!

Mirehareha i Noura Alkhudair:

@NouraKhu [1]
فخوره فيك يامصر.. فخوره بشعب مصر الحر #Egypt #jan25
Mirehareha aminao aho ry Ejypta.. Mirehareha amin'ireo vahoaka Ejiptiana afaka aho

Manambara ny toe-javatra avy amin'ny lafin-tany roa i Jihad Alammar:

@jalammar [2]
اليوم تفرح الشعوب العربية كما لم تفرح من قبل، وتغم الحكومات كما لم تغم من قبل. طائفة تمجد الإنترنت والجزيرة, وطائفة تلعنها.
Ankehitriny dia faly tsy misy toy izany ireo Arabo, ary mbola tsy fadiranovana tahaka ity ny gorvernemanta . Ny sasany midera ny Aterineto sy Aljazeera ary ny sasany kosa manozona azy ireo.

Mbola tsy faly tahaka izao i Majed Alkabeer:

@Majed_K [3]
أقسم بالذي رفع السماء سبعاً أنني لم أسعد بيوم في حياتي كسعادي بهذا اليوم شكرا لكم أيها الأحرار المصريون #Egypt #Jan25
Mianiana amin’ Allah izay nanao ireo lanitra fito aho fa ity no andro nahafaly ahy indrindra teo amin'ny androm-piainako. Misaotra anareo ry Vahoaka Afaka avy ao Ejypta!

Ny sasany milaza ity andro ity ho andron'ny fandresena, tahaka an'i Abdullah Abahussain:

@iAbdullah [4]
١١ فبراير ٢٠١١ يوم من ذهب .. الى مزبلة التاريخ يا حسني
Ny 11 Febroary 2011 dia andro volamena, amin'ny fanariana ny tantaran'i Hosni Mubarak

Ary ny sasany tamin'izy ireo nivoaka nankalaza izany tahaka ny tweet-n'i Nejer [5]:

سيارة شاهدتها للتو في أحد شوارع الرياض والعلم المصري يرفرف عليها #Egypt #FreeEgypt #Feb11 http://twitpic.com/3yp5jg
Misy fiara mitondra ny sainam-pirenenan'Ejipta tsinjo mandeha eny an-dalamben'i Riyadh

Nanampy [6] ihany koa izy:

سأزور مصر إن شاء الله بعد انتخاب أول رئيس ديموقراطية في تاريخها بإذن الله وسأقف في وسط ميدان الشهداء وسأقبل أرضه #Egypt #jan25 #feb11
Hitsidika an'Ejypta aho raha sitrapon'I Allah izany aorian'ny fifidianana Demokratikany voalohany. Hanoroka ny tanin'ny Kianjan'i  Tahrir aho rehefa mitsangana eo afovoany

Maneho ny hafaliany i Albara'a Alohali:

@al_bara [7]
والله إن هذا هو أسعد يوم في حياتي..اليوم فقط أيقنت أن إرادة الشعوب أقوى من أن تقف في وجهها كل الأنظمة المستبدة وكل القوى الاستعمارية الطاغية
Ity no andro tsara indrindra tamin'ny fiainako, androany aho dia nahalala fa ny finoan'ny olona maro dia mbola mafy noho ny fijoroana manoloana ireo fitondrana mahefa rehetra sy ireo fahefana mpanjanatany mpamoritra

Miteny i Bander Alnogaithan:

@SaudiLawyer [8]
أجمل سمفونية على الاطلاق، سمفونية شباب الثورة وهم يهتفون فرحا بنجاح الثورة
Ny feon-kira tsara indrindra dia ny feon-kiran'ny Kianjan'i Tahrir izay hikiahan'ny tanora hafaliana tamin'ny fahalavorarian'ny fiovana

Mangataka fahagagana i Norah Alajaji:

@_NYA_ [9]
ENTO HO ANY AN-KIANJAN'I TAHRIR AHO!! TE-HIARA-HANDIHY AMINAREO EJIPTIANINA AHO!! #Egypt #JAN25

Ary tsy mahaloam-peo i Wargat Baloot:

@balooot [10]
احسن اديب وكاتب وشاعر في هذي اللحظة راح يخونه التعبير ..الحدث اكبر من ان تصفه عقولنا #Egypt #Jan25
Na ireo mpamorona, mpanoratra, na poety tsara indrindra aza dia navadiky ny teny, goavana loatra ho an'ny lohanay izany

Inona ny manaraka?
Amin'ny zorony hafa, ny hafa dia miezaka maminavina ny ho avin'ny faritra:

@Mashi9a7 [11]
أشعر بأن تحرير المسجد الأقصى اقترب،، اقترب كثيراً ،،، يارب ارزقنا فيه صلاة قبل الممات واجعلنا من جنود تحريره
Reko fa efa akaiky ny fanafahana ny Mosque Al-Aqsa, tena akaiky. Oh Allah avelao izahay hivavaka ao  alohan'ny fahafatesana ary ataovy  ho maramila mpanafaka azy izahay

ary farany dia manontany i Muhammad Almutairi:

@m_almutairi [12]
مين بعد مصر ؟ #jan25
Iza no manaraka?