- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Novain'i Mubarak ho “manahirana” ny toetoetry ny fifandraisany amin'ny Facebook

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Teknolojia

Ity lahatsoratra ity da ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Tolona Egipta 2011 [1].

Mba hamaliana ny fanontaniana feno ahiahy [2] napetrak'i Malcolm Gladwell raha mila Twitter Ejipta, toa nitàna andraikitra lehibe ny TIC (Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana) tamin'ny revolision'ny #jan25 tany Ejipta. Satria ireo fihetsiketsehana voalohany dia nokarakarain'ireo tanora mafana fo tamin'ny alalan'ny Facebook, antsoin'ny Ejiptiana hoe “tanoran'i Facebook” izany taranaka tanora izany. Amin'ity sary [3] navoakako omaly ity, misaotra ny tanoran'i Facebook nanomboka ny tolona ity lehilahy ity:

[4]

Mitatitra [5] ireo bitsika tweets [5] fa ireo mpitolona any Tahrir dia mahafantatra tsara ny herin'i Facebook sy Twitter ary mitondra marika misy ny anaran'ireo vohikala ireo.
Voatatitra koa fa rakotra kisarisarin'i Facebook sy Twitter i Caire. Ny sasany tamin'ireo sary dia nivoaka tao amin'ny Washington Post omaly [6].

I Mike Nizza dia mitatitra [7] momba ny mpitolona iray izay nandeha nankany amin'ny mpanao gazety iray tany Caire miaraka amin'ny fahasahiranan-tsaina goavana, dia ny fiezahana mamantatra hoe malaza amin'ny Twitter ve i Ejipta.

Mafana fo Ejiptiana sy tera-tany Tandrefana hafa koa no nampiasa ny fitenin'ny media sosialy hanaovana hatsikana mba hitantarana ny zava-nisy araka ny nitrangàny. Ireto no tena voamarika sy naverina navoaka :

Vao avy nanàla an'i Mubarak amin'ny maha-ben'ny tanànan'i Ejipta tao amin'ny Foursquare aho!

VAOVAO MAFANA: Nalàn'i Hilary Clinton tsy ho namany intsony ao amin'ny Facebook i Mubarak. [8]

Mubarak nanova ny fifandraisany amin'ny Ejipta ao amin'ny Twitter ho “manahirana” [9]

Mamerina mamoaka ireo tweet-n'i Ben Ali i Mubarak, tadidy ve fa nikasa ny hijanona hatramin'ny 2013 izy? [10]

Ny olona sasany aza manontany tena [11] raha misy rindram-baiko mpanohitra an'i Mubarak amin'ny iPhone.

Ho fanampin'izany, telo fara-fahakeliny ny kaonty Twitter hosoka an'i Hosni Mubarak nipoitra tamin'ity herinandro ity: @TheReal_Mubarak @HosniMobarak @NotHosniMubarak ary koa hosoka an'i Gamal Mubarak – @GMubarak

Nitazona ny moraly ho ambony ireo hosoka ireo tamin'ny tenifototra #jan25 Twitter, na tamin'ireo fotoana maizina nisian'ireo fifandonana tamin'ny Alakamisy sy Zoma aza, tamin'ny tweet toy ny:

#breakupexcuses (failàn-tsiny fisarahana) Tena tsy mahita aho. Te-hijanona miaraka amin'i #Egypt mandritra ny fiainako manontolo aho. [12]

Amidy: Governemanta iray. Mbola tsy nampiasaina, nefa mety tsy mandeha.

Mila fanampiana aho amin'ny fifehezana ny fahasimbana, @SarahPalinUSA  Ahoana no nataonao mba hifehezana ny fandrodanana ny politika tany Etazonia? [13]

Diso ireo tatitra milaza fa ireo mpitolona mpomba an'i #Mubarak dia karamain'ny governemanta. Ary sao dia misy afaka mampindram-bola ahy? Ananan'olona sasany vola mantsy aho

Namorona [14] sary miendrika Obama ho an'ny rainy koa i Gamal Mubarak hosoka:
[15]

Mahagaga ihany fa tsy nandray anjara tamin'ireo hetsiky ny #jan25 ny kaonty hosok'i Muabark taloha @presidenthosni.

Farany, raha manontany tena ianao hoe ahoana no fomba ataon'ireo Ejiptiana mpitoraka blaogy sy mpi-tweet mba hanomezana fanampim-baovao avy any an-kianja nefa tsy mila mamahana ny findainy akory, navoaka tamin'ny tweet omaly ity sary ity [16], mampiseho ny fomba namahanana ireo finday tany an-kianja Tahrir:

[17]

Ity lahatsorara ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona 2011 any Ejipta [1].