Ejipta: Novain'i Mubarak ho “manahirana” ny toetoetry ny fifandraisany amin'ny Facebook

Ity lahatsoratra ity da ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Tolona Egipta 2011.

Mba hamaliana ny fanontaniana feno ahiahy napetrak'i Malcolm Gladwell raha mila Twitter Ejipta, toa nitàna andraikitra lehibe ny TIC (Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana) tamin'ny revolision'ny #jan25 tany Ejipta. Satria ireo fihetsiketsehana voalohany dia nokarakarain'ireo tanora mafana fo tamin'ny alalan'ny Facebook, antsoin'ny Ejiptiana hoe “tanoran'i Facebook” izany taranaka tanora izany. Amin'ity sary navoakako omaly ity, misaotra ny tanoran'i Facebook nanomboka ny tolona ity lehilahy ity:

Mitatitra ireo bitsika tweets fa ireo mpitolona any Tahrir dia mahafantatra tsara ny herin'i Facebook sy Twitter ary mitondra marika misy ny anaran'ireo vohikala ireo.
Voatatitra koa fa rakotra kisarisarin'i Facebook sy Twitter i Caire. Ny sasany tamin'ireo sary dia nivoaka tao amin'ny Washington Post omaly.

I Mike Nizza dia mitatitra momba ny mpitolona iray izay nandeha nankany amin'ny mpanao gazety iray tany Caire miaraka amin'ny fahasahiranan-tsaina goavana, dia ny fiezahana mamantatra hoe malaza amin'ny Twitter ve i Ejipta.

Mafana fo Ejiptiana sy tera-tany Tandrefana hafa koa no nampiasa ny fitenin'ny media sosialy hanaovana hatsikana mba hitantarana ny zava-nisy araka ny nitrangàny. Ireto no tena voamarika sy naverina navoaka :

Vao avy nanàla an'i Mubarak amin'ny maha-ben'ny tanànan'i Ejipta tao amin'ny Foursquare aho!

VAOVAO MAFANA: Nalàn'i Hilary Clinton tsy ho namany intsony ao amin'ny Facebook i Mubarak.

Mubarak nanova ny fifandraisany amin'ny Ejipta ao amin'ny Twitter ho “manahirana”

Mamerina mamoaka ireo tweet-n'i Ben Ali i Mubarak, tadidy ve fa nikasa ny hijanona hatramin'ny 2013 izy?

Ny olona sasany aza manontany tena raha misy rindram-baiko mpanohitra an'i Mubarak amin'ny iPhone.

Ho fanampin'izany, telo fara-fahakeliny ny kaonty Twitter hosoka an'i Hosni Mubarak nipoitra tamin'ity herinandro ity: @TheReal_Mubarak @HosniMobarak @NotHosniMubarak ary koa hosoka an'i Gamal Mubarak – @GMubarak

Nitazona ny moraly ho ambony ireo hosoka ireo tamin'ny tenifototra #jan25 Twitter, na tamin'ireo fotoana maizina nisian'ireo fifandonana tamin'ny Alakamisy sy Zoma aza, tamin'ny tweet toy ny:

#breakupexcuses (failàn-tsiny fisarahana) Tena tsy mahita aho. Te-hijanona miaraka amin'i #Egypt mandritra ny fiainako manontolo aho.

Amidy: Governemanta iray. Mbola tsy nampiasaina, nefa mety tsy mandeha.

Mila fanampiana aho amin'ny fifehezana ny fahasimbana, @SarahPalinUSA  Ahoana no nataonao mba hifehezana ny fandrodanana ny politika tany Etazonia?

Diso ireo tatitra milaza fa ireo mpitolona mpomba an'i #Mubarak dia karamain'ny governemanta. Ary sao dia misy afaka mampindram-bola ahy? Ananan'olona sasany vola mantsy aho

Namorona sary miendrika Obama ho an'ny rainy koa i Gamal Mubarak hosoka:

Mahagaga ihany fa tsy nandray anjara tamin'ireo hetsiky ny #jan25 ny kaonty hosok'i Muabark taloha @presidenthosni.

Farany, raha manontany tena ianao hoe ahoana no fomba ataon'ireo Ejiptiana mpitoraka blaogy sy mpi-tweet mba hanomezana fanampim-baovao avy any an-kianja nefa tsy mila mamahana ny findainy akory, navoaka tamin'ny tweet omaly ity sary ity, mampiseho ny fomba namahanana ireo finday tany an-kianja Tahrir:

Ity lahatsorara ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona 2011 any Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.