Siria: Tsy misy seho ho an'ny ‘Andron'ny Fahatezerana’

Tsy mitsaha-mitombo ny resa-be avy amin'ireo media iraisam-pirenena izay milaza fa mety ho i Siria ny manaraka amin'ny fipariahan'ny korontana avy any Ejipta sy Tonizia. Ireo vondrona anatin'ny aterineto dia niantso an'ireo Siriana handray anjara amin'ny tolona manerana ny faritra any Ejipta, Yemen ary Jordana, amin'ny 4 sy 5 Febroary 2011.  Nanomboka ny tsaho androany fa nanapaka ny aterineto i Siria, naparitaky ny tatitry ny BBC sy CNN.  Ho valin'ireo tweet ireo avy amin'izao tontolo izao, namaly tamin-katezerana ny Siriana fa mandeha tsara ny aterinetony. Ni-tweet i Mirar Roumeah :

tsara aoka izany ny aterineto aty #syria @syria!!! Mandainga ny CNN!!

Abdul Salam Haykal dia nitsipaka ireo tweets maro nitatitra fahatapahana aterineto:

Diso! @akhbaralarab: قطع الانترنت في سوريا بشكل كامل في يوم الغضب السوري http://bit.ly/ff5Ejs” ny hoe nanapaka ny aterineto ho an'ny Andron'ny Fahatezerana i #Syria

Hatramin'ny nifaranan'ny tontolo andro, tsy nahavita niforona ireny tolona ireny- nefa mbola mitoetra ireo antso ho an'ireo tolon'ny ‘Andron'ny Hatezerana’ amin'ny 5 Febroary.

Niresaka momba ny fahanginan'ny làlana ireo mpamoaka Tweet. AbdulSalam Haykal dia ni-tweet:

Vao avy nihodina tany an-tanàna. Mangingina be tsisy ohatr'izany ny Zoma. Tsy misy mpitandro filaminana, tsy fahita eny an-dalana. Mbola manerika sy feno zavona. #Syria #Damascus #fb

Dona dia nanoratra:

Vao nandehandeha tany Damaskaosy indray.Tsy misy na inona na inona. Foana ny làlana, na ny kafe Rawda aza saika tsy nisy olona. amin'ny FB ihany ny tolona #Syria #feb5

Ary ni-tweet i Sate Hamza:

@yazanbadran tsy maintsy niteraka “Andron'ny Haromontana” tany an-tranon'ny tokantranon'ireo mpikarakara tamin'ny FB. Mampalahelo ny fomba nanaovan'ny haino aman-jery tatitra momba azy ireo #Syria

Ireo tweet sy ireo vondrona miahy ny zon'olombelona dia nitatitra fa naparitaky ny hery fiarovana ilzy andian'olona kely niaro an'i Ejipta. Syria Revolution dia ni-tweet:

Nisy fihetsiketsehana am-pilaminana androany tany Damaskaosy  #Syria naparitaky ny mpitandro filaminana tamin-kerisetra tany amin'ny faritr'i Kassaa #Feb4 #Feb5.

Diso fanantenana i Meer fa tsy nanaovan'ny haino aman-jery tatitra ireny hetsika ireny, fa mbola sahirana loatra nitatitra momba an'i Ejipta ry zareo:

#AJEnglish sy #Israeli dia samy nanao tatitra momba ireo fivorivoriana tany #Egypt ary tsy niraharaha ireo hetsika taty #Syria. vono olona #Hama #Feb5

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.