- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ny fotoanan'ny Fandresena

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Tanora, Vaovao Mafana

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

[2]

Ny fankalazan'ny vahoaka sy ny fandraketana an-tsary ny fotoanan'ny fankalazana tao amin'ny kianjan'ny Fanafahana

Rehefa niala teo amin'ny Fitondrana an'i Ejipta i Mubarak dia nanomboka niseho iIreo horonantsary tahirin'ny vahoaka  tamin'ny fampisehoana ireo fotoana manan-tantarasy ny fomba nandraisan'ireo vahoaka tao amin'ny Kianja Tahrir.

Voalohany dia ity horonantsary [3] nozarain'ny YouTube's  Citizen Tube avy amin'ny Twitter ity. [4] Ao anatin'izany, ireo vahoaka mampiato ny fankalazana mandrapaha-tapitry ny vavaka, ary teo izy ireo no velon-kira sy tehaka.

Ny horonantsary manaraka dia avy amin'i bilaogy 3Arabawy [5] ary mampiseho ny fankalazana tao amin'ny Kianjan'ny Fanafahana ihany koa. Avy eo alohan'ny vata fahitalavitra iray ao anatina fitaratra izay mandefa ireo vaovao, amin'ny vahoaka be mitsinjaka sy mifamihina ao an-kianja, ireo vahoaka manofahofa ny saina, mandihy, mifanoroka sy mihiaka :

Teo amin'ny fanakanan-dalàna teo alohan'ny Lapan'ny filoham-pirenena [6] dia nankalazaina ihany koa ity vaovao ity. Ilay olona tao ambadiky ny kamera dia toa taitra ary nanova ny fizotran'ny kamera eo ampovoany, noho izany dia mila manongilana ny lohanao ianao raha te-hahita azy rehetra:

http://www.youtube.com/watch?v=C-iyA2XGmIE

Raha isan'ny fambàra ireo fafana mirehitra avy amin'ny vahoaka mihazona fitaovana finday, dia afaka hijery horonantsary maro mikasika ny vokatr'io fankalazana io ao amin'ny aterineto isika atsy ho atsy.

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011 [1] ity lahatsoratra ity.