- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Miady amin'ny tetikasa fanapahana hazo ny media sosialy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fampandrosoana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Tontolo_iainana

Nanao filazana ny Governemanta Jordaniana mikasika ny fanamboarana sekoly ambonin'ny miaramila ao anatin'ny alan'ny Ajloun, iray amin'ireo faritra Jordaniana vitsy misy ala. Mila ny fanapahana hazo 2200 ity tetikasa ity, ao anatin'izany ireo karazana hazo efa miha-manjavona sy ireo hazo eritreretina ho efa 500 taona. Miaraka tamin'izay, maro ireo fikambanana efa mijoro sy vao natsangana mba hanakana ity tetikasa ity. Namoaka fanangonan-tsonia amin'ny aterineto ny Fanentanana amin'ny fanakanana ny fanapahana hazo ao Ajloun [1], natolotra ny Komitin'ny Fahasalamana & Tontolo iainana ao amin'ny Birao mpanao lalàna ao amin'ny Parlemanta Jordaniana ny 18 Janoary 2011.

Araka ny kaonty Twitter-n'ity fanentanana ity, dia nahazo ny fanohanan'ny [2] Minisitry ny Tontolo iainana izy ireo amin'ny fanakanana ity tetikasa ity mialohan'ny fanadihadiana mikasika ny mety ho vokany, mangataka [3] ireo mponina ao amin'ny Faritr'i Ajloun ny amin'ny fanohizana ity tetikasa ity fa amin'ny faritra tsy dia be hazo ho tapahana, ary fangatahana [4] hamoahana fampahafantarana bebe kokoa. Tao amin'ny fihaonana, nampiseho ny vokatra azo tamin'ilay fanangonan-tsonia ao amin'ny aterineto [5] izay nahazoana sonia miisa 452 ilay fikambanana. Mitsinjo ny hahazo bebe kokoa noho izay ny vondrona ho entina amin'ireo fihaonana hafa.

Ny fikambanana, na dia izany aza, dia nampifototra manokana ny fanentanany ao anaty bilaogy, facebook, ary Twitter. Nampiasa ny sehatra fiadian-kevitra sosialin'ny 7iber.com [6] izy ireo mba hanabeazana ny vahoaka ny amin'ny fandikan'ity tetikasa ity ny lalàna Jordaniana:

Raha jerena manokana, ny Toko 28 amin'ny lalàna momba ny fambolena Jordaniana izay mifandraika amin'ny tany misy ala dia voalaza fa tsy azo atao ny manome fahefana, fandoavana onitra, mivarotra na manakalo ny tany misy ala amin'ireo olon-tsotra na fikambanana iray, na inona na inona antony…Mety handika ny Toko 35 an'io lalàna io ihany koa ity tetikasa ity, izay manambara fa voarara ny manapaka, manimba na amin'ny fomba hafa, manimba ireo hazon'ala, zava-maniry ela velona, na zava-maniry tsy dia fahita sy efa ho lany tamingana.

Ankoatra izay, tsy mifanaraka amin'ny Lalàna No. 25, Fizarana faha -13  tamin'ny taona 2006 mikasika ny Tontolo iainana Jordaniana ,  izay milaza fa na iza na iza fikambanana, vondrona, orinasa na ireo hafa mitovy amin'izany mety hitondra voka-dratsy eo amin'ny tontolo iainana na inona na inona ny fomba ampiasainy, dia samy tokony hijery ny vokatra mety hateraky ny tetikasany eo amin'ny tontolo iainana ary handefa izany any amin'ny Minisitry ny Tontolo iainana mba handraisany ny fanapaha-kevitra mifandraika amin'izany.

Naseem Tarawnah dia nametraka [7] ity fizarana ity ho anisan'ny tsy firaharahana ara-kolotoraly sy tsy fahaiza-mandrindran'ny Governemanta :

Indrisy anefa, ny fandaharam-pianarantsika sy ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny dia tsy mampianatra loatra antsika mikasika ny fanajàna ny fiainana an'ala, ny tontolo iainana na ireo hazo, ary maro amintsika no mety tratra manapaka hazo, manao maloto manodidina azy ireny, ary manapaka ny sampany mihitsy aza raha tokony hijoro na aiza na aiza misy azy ireo isika rehefa tsy misy atao….Noho izany dia eny, ny fanapahana ireo hazo miisa 2,200 any Ajloun – faritra any Jordana izay hakan'ireo Jordaniana maro rivotra sy hitsangatsanganana noho izy anisan'ireo toerana vitsy mbola ahitana ala – tsy hafahafa izany, fa hadalàna rano iray fotsiny…

Ny fotoana farany nahenoako fa tandindonin-doza ny alan'ny Ajloun sy ireo hazo ao dia tamin'ny fotoana izay naha lehiben'ny Jordan Dubai Capital ny Praiminisitra teo aloha, Samir Rifai, orinasa mpanao fahirano izay nihevitra ny hanapaka hazo miisa 100 tany amin'ny faritra iray mba hanamboarana Hotely. Nahatonga fanentanana nasionaly notohanan'ny Royal Society ho amin'ny Fiarovana ny Natiora, ary natao betsaka tao amin'ny aterineto. Afaka nisoroka ny adihevitra be tao amin'ny aterineto sy adihevitra hampiatoana ny tetikasan'ity orinasa ity ilay fanentanana.

Mety tsy hisy na inona na inona angamba amin'izany. Raha tsy nisy EIA [Fanadihadiana ny Fiantraikany eo amin'ny Tontolo Iainana] natsangana, dia nisy olona nandika ny lalàna. Ary raha natsangana izany ka tonga tamin'ny valiny hoe “Eny, tsy maninona, mandehana ary tapaho ireo hazo miisa 2,200” dia misy zavatra hafahafa izany. Na izany aza, na narahina io lalàna io na tsia, tsy ny toy izao no azo antsoina ho vokatra.

Naneho ny ahiahiny [8] mikasika ny Governemanta ihany koa i Mahmoud Lattouf, ary dia nanontany avy hatrany ny Praiminisitra Rifai:

YE @SamirAlRifai, afaka mahazo fanazavana ve izahay mikasika ny fanapahan-kazo hatao any #Ajloun? CC: @PrimeMinistry @SaveAjlounTrees #Jo #Jordan

Nivazivazy [9] i Hussein Rugibani :

Ry Sandhurst, hazo 2200 no hotapahana hanannganana ny akademia ho anareo. Amin'ny fo tsotra, #JORDAN #AJLOUN #ENVIORNMENT http://bit.ly/hV7HwZ

Maro, tahaka an'i Bashar Alaeddin, no tezitra [10] amin'ny tsy nifidianana toeran-kafa:

tsy azoko, tena tsy azoko mihitsy!!! amin'ireo faritra rehetra any #jo hanamboarana sekoly ambony.. maninona, ho an'ny fahasoavan’ $**@! no i #Ajloun no nofidian'izy ireo?!?!?

Niombon-kevitra i [11] Hamzeh Nassif:

Iza no manam-pahaizana ao ambadik'ity hevitra fanapahana hazo 2000 ity mba hanamboarana … sekoly ambony? Fa maninona raha hatsangana eo akaikin'ny ala? #Jo #Ajloun

Raha namporisika [12] kosa i Mohammed Mahasneh :

1%-n'ny halehiben'ny tanin'i jordana fotsiny no ala. ‘Ndeha harovana izy ireny #Ajloun #JO

Famelabelarana bebe kokoa, ary ny fiafàran'ny sekoly ambonin'ny miaramila sy ireo hazo miisa 2200, dia hivoaka ao amin'ny twitter ao amin'ny #ajloun na #saveajlountrees, tahaka ny ao amin'ny Facebook [1].