Nandritra ny andro maro ny Ejiptiana, nikaroka teny rehetra teny an'i Wael Ghonim, mpitantana ny Google izay tsy hita nanomboka tamin'ny 27 Janoary. Androany, taorian'ny sahoan-dresaka maro, navotsotra i Ghonim.
Google tenany mihitsy no anisan'ny voalohany nandefa fampandrenesana tao amin'ny Twitter:
Afaka ny mavesatra– nafahana i Wael Ghonim. Ny fitiavanay ho azy sy ny fianakaviany.
Ora vitsy nanaraka ny famotsorana azy, efa nanao valan-dresaka roa sahady i Ghonim. Ny voalohany, nalefan'i @HabibH tamin'ny tweet , etsy ambany, miaraka amina dikanteny avy amin'ny/sy azo tsidihana ao amin'ny Alive in Egypt:
Ny faharoa, ho an'ny DreamTV, dia nalefa nivantana ary nalefan'ilay mpanao gazety Sultan Al Qassemi tweet mivantana, izay nalaky voadika tamin'ny teny Anglisy. Ireto manaraka ireto dia fanambaràn'i Ghonim nopaingorina avy amin'ny tweets:
Wael @Ghonim: Mila antsipirihany ry zareo, vaovao. ” Vahiny ve ireo olona nanomana azy ity?” Tsy nanao hadisoana izahay, antso ilay izy
Wael @Ghonim: Ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana dia tsy nitatitra ny marina, izany no mahatonga ny olona hanaraka ny fahitalavitra tsy miankina ankehitriny
Namarana ny fandefasany tweets tamin'ity fanambaràna ity i Al Qassemi:
ny tenin'i Wael @Ghonim farany: Te-hiteny amin'ireo fianakaviana namoy zanakalahy aho hoe tsy hadisoantsika izao. Hadisoan'ireo mifikitra amin'ny fahefana.
Azo jerena ao amin'ny YouTube koa (amin'ny teny Arabo) ilay valan-dresaka no sady voadika ato.
Ejiptiana sy hafa maro be tao amin'ny Twitter no voasarika tamin'ny valan-dresaka nataon'i Ghonim, ka niantsoan'ny maro azy ho mahery fo. @EgyptSecularist manoratra hoe:
Kihon-dàlana iray amin'ny revolisiona iny. Ny fihetseham-pon'i @Ghonim dia hanome hery bebe kokoa ny ao #tahrir. Ho andro mitalakotrokotroka ny rahampitso.
@SarraMoneir ihany koa dia naneho ny fankasitrahany:
mitomany i Ejipta… safotry ny ranomasoko aho. ANDRIAMANITRA ANIE HITAHY ANAO RY @Ghonim
@CaireneGirl Sherine Elbanhawy koa mankalaza an'i Ghonim:
@Ghonim Mirehareha izahay manana anao. Tsy misy manome tsiny anao. Tena tia tanindrazana marina ianao. Tianay ianao. Atrakao avo ny lohanao. Nanafaka an'i #Egypt ianao #jan25
Ilay mpanao gazety mipetraka any Kairo, Ben Wedeman (@bencnn) dia manaiky:
ny valan-dresak'i wael @ghonim tao amin'ny DreamTV: Horohorontany. #Jan25 #Egypt #tahrir
Ilay Ejiptiana mpanao gazety, @SarahCarr dia manana fomba fijery toy izay ihany koa:
Amin'ny manaraka raha mbola misy misalasala ny amin'ny anton'ny fibodoana ao Tahrir dia asaivo mijery ny valan-dresaka nataon'i @ghonim izy #jan25