Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011.
Manonofy hoavy tsaratsara kokoa ry zareo Ejiptiana, ary ho an'ny maro dia efa an-dalam-pahatanterahana izany nofinofy izany. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, rentsika avy amin'ireo Ejiptiana mpitoraka bilaogy ny fahatsapana ho toy ny mahita fahaterahana firenena vaovao, dia ny firenena izay nandrasan-dry zareo hatry ny ela
Mona Seif (@monasosh) dia nanome tsy tapaka fanavaozam-baovao avy any an-kianjan'i Tahrir, isan'ireny ny alin'ny 2 Febroary. Maneho hevitra ny amin'ny fanosorana azy ho “mahery fo” izy:
Tiako hazavaina ity: Tsy mahery fo aho, voaaro aho.
Niitatra nandritra ny alina ny fifandonana. Nanomboka tamin'ny vato sy tavoahangy, nihisaka tamin'ny coctail Molotov, avy eo nisy ny poa-basy. Teo, saingy tsy nanao na inona na inona ny tafika, ary nisy fotoana nidina ihany ry zareo fa niafina tany anatin'ny fiarabeny tany.
Tsy mahita mihitsy aho teny azo hamaritana ny herimpo natrehiko maso tamin'io alina io. […] Ampy nahatsapako tsara iny alina iny fa ny tena Ejipta tadiaviko dia izay tao an-kianjan'i Tahrir. Ireo vahoaka tao no tena i Ejipta, ary ary niaraka amin'izy ireo aho na inon-kidona na inon-kihatra taminay.

Revolisiona. Sary nampindramin'i Iman Mosaad ampiasàna ny Creative Commons Attribution-ShareAlike 2.0 Generic license.
Mitanisa ny fitsidihany ny kianjan'i Tahrir niaraka tamina namana iray i escribes Merry, sy ny fihaonan-dry zareo tamin'ny sasany tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana:
Tamin'ny endrika feno tsiky dia nanontany ahy sy ilay namako ny iray tamin'izy ireo “nahoana ianareo no tonga aty?”… dia hoy ilay namako “satria firenenay ity…”, nobanjiniko tanatin'ny masony izy ary niezaka mafy nifehy tena tsy hamihina azy aho sady namaly hoe “satria IANAREO no fireneko”… ary dia izany izy ireo, Oadray Andriamanitro o, ry zareo ireo no firenena nokatsahako nandritra ny androm-piainako manontolo ary hitako nony farany…
Fihetsehampo izay novoizin'i Nadia El-Awady tao amin'ny Twitter:
Ry Ejiptiana ao an-toerana: atsaharo ny fijerena ny fahitalavi-panjakana ka tongava ao tahrir. Hijery ilay #Egypt niriantsika rehetra #jan25
Ilay mpitoraka bilaogy izay misora-tena ho Fugitive in a World of Dreams (Mpitsoriadriaka ao anatin'ny Tontolon'ny Nofy) dia manoratra hoe: