Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011.
Vaovao vao nilatsaka ny hoe nametra-pialàna amin'ny maha filohan'ny antoko NDP mitondra amin'izao fotoana azy ny filoha Ejiptian Hosni Mubarak. Andro faha-12 amin'ny hetsi-bahoaka goavana manerana an'i Ejipta itakiana ny fialàny no nisian'izany.
FANAVAOZAM-BAOVAO:
Sahala amin’ ny misy fifanoherana ihany ireo tatitra amin'izao fotoana mikasika ny hoe nametra-pialàna amin'ny toerany maha filohan'ny NDP azy i Mubarak.
Indreto ireo fanehoan-kevitra farany mikasika ilay vaovao, miaraka amin'ny fanadrohadroana momba ilay toe-draharaha:
@hadeelalsh: Milaza ny TV-mpanjakana fa MIJANONA HO mpitarika ny NDP i Hosni Mubarak #egypt #jan25
@draddee: Hatreto aloha izany toa TSY voamarina ny filazàna fametraham-pialàn'i Mubarak amin'ny maha mpitarika ny NDP azy, na ny maha-mpikambana tsotra azy ao amin'ny NDP. #jan25
@gr33ndata maneso [Ar]:
@abeerallamFT: Mitovitovy daholo ireo Dinaozaoro mpitondran'ny NDP hatramin'ny nijoroan'ny Fikambanana Sosialistan'ilay filoha teo aloha Nasser tamin'ny 1960. #egypt #jan25
@Elizrael: TPT RT @3arabawy: 😀 RT: @nmoawad: tpppt RT: @jamalghosn: Hitarika ny antoko mpanohitra ny NDP ve i Mubarak? #jan25
@nmoawad: nametra-pialàna tamin'ny komity i #Mubarak mba hanomana fety tsy ampoizina amin'ny andro nahaterahan'i Adel Imam. #Jan25
@UnitedArabs: Mbola mihevitra ho afa-manàmbatra ny vaky indray va re i Humpty Hosni Dumpty e? tsara ny mandeha amin'ny fotoana mahamety azy
Indreto ireo fanehoan-kevitra voalohany tao amin'ny Twitter rehefa navoaka ilay vaovao:
@AJEnglish: Mitatitra ny TV Ejiptiana fa niala tsy ho mpitarika ny NDP antoko eo amin'ny fitondrana i Hosni #Mubarak. Eto ny tatitra mivantana: http://aje.me/ajelive #Egypt #Jan25
@djevojcica87: Inona no heverin'i Mubarak fa ataony izao? Mamoaka ireo tetika rehetra notovozina tamim-boky. #Egypt #Mubarak
@sammiqaid: voasambotra i Ezz&Adly, niàla tamin'ny fitantanana ny NDP daholo ry Mubarak, Gamal, Safwat ElSherif. Ary dia The Beat Goes On [Fanamarihan'ny mpandika: hira malazan'i Sonny sy Cher io]
@JawazSafar: Vaovao tsy mbola voamarina mikasika ny fiomankomanan'ny tobim-pamaharana ara-tafika iray any amina firenena iray mifanila vodirindrina amin'i Ejipta handray an-dry Mubarak & fianakaviany [avy amin'i @Almatrafi nampitain'i @Essamz] #Jan25
Mandefa tweets i @Gr33ndata (Ar):
@NadiaE: Ankehitriny rehefa tsy mpitarika ny NDP intsony i #Mubarak, mbola mifanaraka amin'ny lalampanorenana ve ny maha-filoha azy? #jan25
@TheSufiWarrior: Miantso ny mba hanagiazana ny fananan'i #Hosni sy #Gamal #Mubarak, an-tapitrisa maro no nangalariny tamin'ny vahoaka. Aza avela handositra izy ireo. #Egypt #Jan25
@MahaRafiAtal: Misy manana ny teny tamin'ny fanambaran'i Mubarak ve? Ireo andinindininy–fametrahana fialàna ‘tsy hitarika ny antoko eo amin'ny fitondrana’ dia toa mifangaro voraka be ihany.
@yshehab: nametra-pialana i #mubarak tsy ho mpitarika ny antoko NDP mitondra #egypt, sahala amin'ny hoe fandàvany tsy ho mpikambana intsony ao amin'ny ‘club’-ny, izay azy
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011.