- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Jiolahimboto nalefa hampihorohoro ny mpanao fihetsiketsehana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011 [1].

[2]

Ejiptiana miaro ny fananan-dry zareo amin'ireo mpandroba sy jiolahimboto. Avy amin'i Mohamed Elmaymony © Copyright Demotix (30/1/2011)

Nalefa hifanehatra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana manerana an'i Ejipta ireo jiolahimboto nokaramain'ny governemanta, mba ho andrana amin'ny fampitahorana azy ireny sy handrava ny fihetsiketsehana ataony izay efa miditra amin'ny andro fahavalo.

An-tapitrisa ireo olona nanao diabe namakivaky ireo tanàna kely sy lehibe  samihafa mangataka  ny hitsaharan'ny fitondràn'ny filoha Hosni Mubarak efa ho 30 taona izao. Ny famoriam-bahoaka faran'izay goavana indrindra dia ny tao amin'ny kianjan'i  Tahrir (Fanafahana) ao Cairo, nahitana olona tafakatra hatramin'ny 3 tapitrisa.

Taloha kelin'ny misasakalina, niteny tamin'ny Ejiptiana i  Mubarak, nilaza tamin'izy ireo fa tsy hirotsaka amin'ny fifidiana izay ho filoha hatao amin'ny Novambra intsony izy. Bitika, tara loatra, hoy ireo mpanao fihetsiketsehana izay nivoady ny hanohy ny hetsika mandra-pahatanteraky ny fangatahan-dry zareo.

Ary avy hatrany taorian'ny kabariny, niditra an-tsehatra ireo andiana jiolahimboto, nampihorohoro ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana. Tao amin'ny Twitter, ireo mponin'ny aterineto manerantany dia tsiravina nanifikifika ny lohany:

@darbashis [3]: Andian'olona mpomba an'i Mubarak manafika ireo  mpanao fihetsiketsehana efa valaka ao Aleksandria ary ny sasany mety handeha ho any an-kianjan'i  Tahrir, samia mailo

@helkomy [4]: #Port Said #Alexandria #Tahrir nalefa tamina fotoana mitovy daholo – voatohitry ny olona tsara

@TheDayEgyptLive [5]: 10.57 pm – voalaza fa nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana tao an-kianjan'i Thrir ireo mpomba tsy misy fepetra an'i Mubarak.

@SarahZaaimi [6]: Mpanohitra fihetsiketsehana mitaingina moto tao  Tahrir: “Amin'ny rà sy ny fanahinay no hiarovanay an'i Hosni Mubarak.” #jan25

@ShawkattRaghib [7]: Jiolahimboto aparitaka ao #Cairo, #Alexandria, #Mahalla, #PosrtSaid vantany vao vita ny kabariny. #Egypt #Tahrir #Jan25 #1M #Feb1

@nancyelattar [8]: Tsy mihetsika ny vahoaka ao #tahrir saingy mankasika iretsy hafa ireo mpanao hetsika mpomba an'i mubarak amin'ny alalan'ny fampanenoana mafy ny fanairany (klaxon) sy fihogahogana. #egypt #jan25

@hindhassan [9]: Ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba an'i Mubarak dia, raha mitaha amin'ireo mpanohitra ny governemanta, azo isaina amin'ny rantsan-tànana. Mpanolotra fandaharana  AJE: tsy miala ireo mpanao fihetsiketsehana manihitra ny governemanta ao an-kianjan'i Tahrir #Jan25

Saudi Essam Al Zamil manampy [10] (Ar):

نشر البلطجية الآن وحملهم للسلاح الأبيض للاعتداء على المتظاهرين دليل قطعي أن البلطجية الذين سرقوا وخربوا يوم الجمعة هم اتباع للنظام #jan25
“Ny fampiasàna jiolahimboto, mitondra antsy, mba hanafika ireo mpanao fihetsiketsehana, dia porofo mazava fa ireo nandroba sy nandrava fananan'olona tamin'ny Zoma dia tsy hafa fa ireo mpanara-dia ny mpitondra.”

@asa_wire [11]: Teti-panorona saropady ataon'i Mubarak io. Ny jiolahimboto manafika mpanao fihetsiketsehana toy ireny dia mety hanosika ny tafika hivadika hiaro ny vahoaka. #egypt #jan25

@dinaelhusseiny [12]: Ireo andian-jiolahimboto ireo dia voaomana  hanosika ny mpanao fihetsiketsehana ao Ejipta hirona ho any amin'ny herisetra. Devoly ity fitondràna ity & ireo mpilalaony #Egypt #Jan25 #Tahrir

@Hafsa_Khawaja [13]: – #Mubarak ilay zanaka an-jorony, RAKOTRY NY HENATRA IANAO tamin'ny fanomezana baiko amin'izy nitranga tao #PortSaid sy #Alexandria amin'izao fotoana! Jiolahimboto ianao! #Egypt

@egyptuprising [14]: Aleoko lavitra ho bala iray miditra ny fon'i mubarak toy izay ho mpanapitrisa sy iray amin'ireo jiolahimbotony ao an-kianjan'i  tahrir

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011 [1].