- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Mpanao fihetsiketsehana mpomba an'i Mubarak! Marina ve!?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011 [1].

Andro vitsivitsy lasa izay, maro ireo nanambara fa nanakarama jiolahimboto ny fitondràn'i Mubarak mba hampitahotra ireo mpitolona [2]. Omaly, nahita maso ny fihetsiketsehana voalohany ambara fa mpomba an'i Mubarak isika, ary dia maro indray ireo olona no nanambara fa mpitandro filaminana sy jiolahimboto fotsiny ireo. Nampiomana ny amin'izay mety hitranga ao amin'ny kianja i TravellerW.

@TravellerW [3]: Maro ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba an'i Mubarak no lasa any amin'ny kianja Tahrir izao. Tanteraka ny loza.

Androany ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba an'i Mubarak ireo nanomboka nanafika ireo mpitolona tao amin'ny Kianja Tahrir.

@naglarzk [4]: Nanohy nanao hadalàna misesy indray i Mubarak. Farany: ireo jiolahimbotony tany Tahrir nanafika ireo mpitolona.

Notafihany hatramin'ireo mpanao gazety sy ireo mpitati-baovao tany amin'ny kianja.

@MennaGamal [5]: Raha tena tsy nokaramaina ireny olona ireny, lazao ahy hoe nahoana ry zareo no mamotika ny fakantsarin'ireo mpanao gazety rehetra?

Ary indro misy tweet iray fanampiny momba ireo jiolahimboto mpomba an'i Mubarak sy ny fiavian'izy ireo.

@Injita [6]: Mizara tononkira ireo olona NDP Ejipta mpomba an'i mubarak ao amin'ny Mustafa Mahmoud, nitàna iray tamin'izany ny zanaky ny mpiandry tranonay.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Ejipta 2011 [1].