- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Tolona ho fanohanana an'i Ejipta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Libanona, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Ejipta 2011 [1].

Misy fihetsiketseha ho fanohanana ireo mpitolona any Ejipta, atao eo akaikin'ny Masoivoho Ejiptiana any Beirut, Libanona. Heno koa ny momba ny fihetsiketsehana mitovy amin'izany maneran-tany, noho ireo Ejiptiana manohy mivory manohitra ny fitondràna 30 taona an'ny filoha Hosni Mubarak.

Mizara ny fandinihana ny mpampiasa Twitter Angie Nassar ao anatina andiana tweets maro, miaraka amin'ny sary. Mpanohana 150 hatramin'ny 200 [2] no tonga tany amin'ny hetsika, izay fehezin'ny mpitandro filaminana Libane akaiky. Hita manofahofa sainam-pirenena Ejiptiana sy Toniziana ireo mpitolona.

Mi-tweet [3] i Angie:

Tolona mafonja ao amin'ny masoivoho ejiptiana any libanona izao http://yfrog.com/hs5v3nj

Lebanese protest in support of Egyptians

Tolona Libane ho fanohanana ireo Ejiptiana, teo akaikin'ny masoivoho Ejiptiana any Beirut

Manamarika [4] izy ao anaty tweet iray hafa:

Mijoro aorian'ny tariby “barbelés” ireo mpitandro filaminana  Libane vonona ho amin'izay korontana ao amin'ny masoivoho ejiptiana ao libanona http://yfrog.com/h8cy8lbj

Security forces stand in alert

Efa vonona ireo mpitandro filaminana

Manampy [5] izy hanaporofoany ny heviny:

Tafondron-drano mitodika any amin'ireo mpitolona ao amin'ny masoivoho ejiptiana any #lebanon izao http://yfrog.com/h4wo6rrj

Water cannons pointed at protesters

Tafondron-drano mitodika any amin'ireo mpitolona

Manazava i Angie fa samy kinendrin’ [6]ireo horakoraka avokoa na ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak na i Etazonia:

Mikiaka manohitra an'i #mubarak ireo mpitolona Libane noho izy fitaovan'ny Amerikana, ao amin'ny fihetsiketsehana any amin'ny masoivoho http://yfrog.com/hs56448414j

Lebanese protesters should anti-Mubarak chants

Mpitolona Libane mihorakoraka manohitra an'i Mubarak

Mampiseho ny tweet [7]-ny farany fa miha-matevina ny tolona. Efa olona eo amin'ny 300 eo izao no mandray anjara:

Miha-mitombo ny tolona ao amin'ny masoivohon'i #egypt any #lebanon araka ny hita. Vinavinaina ho olona 300

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Ejipta 2011 [1].