02 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 02 Febroary 2011

Libanona: Tolona ho fanohanana an'i Ejipta

Misy fihetsiketseha ho fanohanana ireo mpitolona any Ejipta, atao eo akaikin'ny Masoivoho Ejiptiana any Beirut, Libanona. Heno koa ny momba ny fihetsiketsehana mitovy amin'izany maeran-tany, oho ireo Ejiptiana manohy mivory manohitra ny fitondràna 30 taona an'ny filoha Hosni Mubarak.

02 Febroary 2011

Iran: “Ing. ElBaradei namanay” ao Ejipta

Manohy mizara ny fomba fijeriny mikasika ny fitroarana any amin'ny tontolo Arabo ireo Iraniana mpitoraka bilaogy avy amin'ny firehana politika samihafa. Masih, Islamista iray tena fatra-mpandàla ny nentin-drazana no mahita fa vintana iray ho an'ny mpitondra Iraniana raha toa ka tafiditra ao anaty fitondrana any Ejipta i Mohamed ElBaradei.

02 Febroary 2011

Ejipta: Mivàntana avy ao Cairo

As thousands of Egyptians march from Tahrir Square, to call for an end to president Hosni Mubarak's 30-year rule, the world cheers on. Despite a total Internet blackout, reports continue to pour in. Here is the latest selection of 140 character Raha an'arivony ireo Ejiptiana no manao diabe avy any Tahir Square, mangataka ny hitsaharan'ny 30 taona nitondran'ny filoha Hosni Mubarak, mankahery kosa izao tontolo izao. Na teo aza ny fampanginana tanteraka ny aterineto, nitohy niraraka hatrany ireo tatitra. Ireto ny fantina faramparany tamin'ireo hafatra ahitàna teny 140 avy amin'ny Twitter - izay ny sasany dia avy amin'ireo olona eny an-kianja, mandefa tatitra mivantana avy ao Cairo.messages from Twitter - some from people on the ground, reporting live from Cairo.

02 Febroary 2011