01 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 01 Febroary 2011

Sodana: “Revolisiona Facebook” miaraka amin'ny Fanampian'ny Twitter avy eo an-damosiny

  01 Febroary 2011

Firehana vaovao no atrehintsika androany eto Sodana. Nitombo niaraka tamin'ny niomerika ny tanora Sodane, ary tsapan'izy ireo tsara ny fivoaran'ny tontolo manodidina azy ireo. Mampiasa ny fitaovana tambajotra sosialy mba hanaovana izay handrenesana ny feony sy hiantsiana ny fitondrana ireo tanora Sodane. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ny fomba ampiasàna ny fitaovana media sosialy ho fanampiana handrindràna, handraketana ary hitaterana ny hetsi-panoherana tamin'ny 30 Janoary.

Ejipta: Fahatakonan'ny aterineto

Nandritra ireo andro vitsy lasa, satria nampiasa ireo fitaovan'ny media sosialy ireo Ejiptiana mba hikarakaran'izy ireo sy hanapariahany vaovao, mnisy ihany koa ireo sakantsakana maro mianjady aminy. Androany alina, sakana iray lehibe no mianjady amin'izy ireo satria dia tapaka ny fidirana amin'ny aterineto.