Janoary, 2011

Tantara tamin'ny Janoary, 2011

Yemen: Anarivony nanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondran'i Saleh

Tamin-kafaliana no nandraisan'ny tontolo Arabo ireo tatitra mikasika ny hetsi-panoherana any Yemen, tontolo Arabo izay misy an'ireo mponin'ny aterineto maneho ny fanohanany betsaka an'ireo rahalahiny sy anabaviny Yemenita. Tao amin'ny Twitter, nientanentana ny rehetra, satria ireo mponin'ny aterineto erantany dia naniry daholo an'i Yemen hanaraka ny dian'ny Toniziana, ka hanala ny filoha Yemenita Ali Abdulla Saleh, izay efa tao amin'ny fitondrananandritra ny 30 taona mahery

Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary

Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny Youtube kosa ny olo-tsotra.

Ejipta: Fa Misy Inona ao Suez?

Maro ny tatitra mikasika ny fifandonanan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana no mivoaka avy ao Suez, 129km atsinanan'i Cairo renivohitra, sady mafy sy mazava, raha miditra indrindra amin'ny andro fahatelo ny hetsika rehetra manerana an'i Ejipta. Miaraka amin'ny fahatapahan'ny tambajotra finday, manjavozavo ho an'ireo mponin'ny aterineto ny vaovao. Ny fanontaniana mipoitra dia ny hoe: Fa misy inona ao Suez?

Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook

Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny hetsi-panoherana omaly. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter, nokorontanina ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.