- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ao amin'ny Twitter, ny fikarohana an'i Wael Ghonim

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny [1]Egypt Protests 2011 [1](Hetsi-panoherana Ejipta 2011) [1].

Ao amin'ny Twitter, maneho ny ahiahiny mikasika ilay Ejiptiana  mpitoraka bilaogy sady mpitantana ny Google Middle East ,  Wael Ghonim, izay tsy hita nanomboka ny Alakamisy ireo namany. Ghonim, izay nianatra tany Cairo ary ankehitriny dia Tale Ara-Barotry ny birao  Google any Afovoany Atsinanana, dia nandefa tweet [2] ny faniriany handray anjara amin'ny hetsi-panoherana ny 25 Janoary:

Na eo aza ny fampitandremana voaraiko avy amin'ny havana sy namana, hanatrika ny hetsika amin'ny #Jan25 aho. Mety hisy ho any amin'ny hetsiky Gam'et Dewal ve?

Ghonim, izay nitafa tao amina seha-pifanakalozan-dresaky ny Al Jazeera tsy ekla akory izay mikasika ny fahalalahan'ny aterineto, dia nandefa tweets avy any amin'ny hetsika ny 25 Janoary. Ny faha-26, taorian'ny fanakanana ny Twitter,  naneho ny hatezerany [3] iny momba ny sivana atao ny tweet izay mety ho lasa “top tweet”:

Izay governemanta matahotra ny  #Facebook sy #Twitter dia tokony hitantana tanàna iray ao amin'ny Farmville fa tsy firenena toa an'i #Egypt #Jan25

Ny faha- 27, mangataka ny mpanjohy azy hivavaka ho an'i Ejipta izy, sady nanamarika ny tahony manokana [4] noho ny hetsika ny androtr'iny. Nanomboka hatreo, nangina tanteraka ny famahanany Twitterary ary manahy ireo namany fa tsy hita izay nalehany. Tokony ho tamin'ny 4:30 tolakandro, ora ao Cairo, @mskayyali dia nandefa tweet [5]:

Wael Ghonim @ghonim avy amin'ny Google Middle East dia tsy hota hatramin'ny Alakamisy. Mila ny fanampianareo izahay mba hanely ny feo sy hanampy hkarihana azy. #egypt

Ora vitsy taty aoriana, nandefa ny sarin'i [6] Ghonim tamin'ny   tweet [7] i @sokkari , mangataka ny mpamaky ao Cairo hizara azy io sy hitady azy.

[8]

"Wael @Ghonim tsy hita hatramin'ny Zoma," hoy i @sokkari," Azfd avereno alefa tweet mba ho fanampiana amin'ny fitadiavana azy."

Habib Haddad, namana irain'i  Ghonim, nandefa tweet [9] ho an'ny olona mba handray fepetra:

SOS: Tsy mbola afaka mahalala ny misy an'i @Ghonim! Dingana manaraka, manandràma manontany olona manana fahefàna, Anaty aterineto na Ivelan'ny aterineto, mba mandefa antso an-telefaona ka manampy anay hahalala hoe aiza i Wael Ghonim

@mzaher koa dia nametraka anmtso ho an'ireo mpanjohy azy [10] mba hilaza aminy raha nisy nahita i Ghonim:

Tsy hita i Wael @Ghonim hatramin'ny Alakamisy. Raha mahafantatra zavatra ianareo mba ilazao aho na i @njarrar. #Egypt #Jan25 http://twitpic.com/3uy2z5 [11]