Maldiva: Ho Firaisankina amin'i Ejipta

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Ny hetsi-panoherana mitranga any Ejipta dia toy ny ‘herinaratra’ namely ny mponin'ny aterineto tao Maldiva.  Ny fitalanjonana nentin'ny zava-misy amin'izao fotoana any Ejipta dia miampita ny sisintany rehetra saingy tao Maldiva dia nànana ny dikany manokana mihitsy satria namelona indray ny fahatsiarovana ny hetsi-panoheran'ireo mpandàla ny demaokrasia vao taona vitsy lasa monja izay mba hamerenana ny demaokrasia ao amin'ity tangoro-nosy mitambatra ho firenena iray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ity.

Manoratra i Yaamyn, mpitoraka bilaogy :

Sahala amin'ny tratry ny herinaratra avy any Tonizia sy Ejipta aho (ary Yemen, Jordania sy Alzeria).

Miha matanjaka indray ny finoako, na toa manjombona sy tsy ahitàna mangirana aza ny zavatra rehetra, afaka manova ny lahatra sy mandray an-tànana ny ampitsony ny vahoaka.

Expired.

Lany fetr'andro. Sary avy amin'ny http://maldivesvotes.com/egypt/

Miantso ny Filohan'i Maldiva, Nasheed, i Hilath mba hitondra teny fankaherezana ho an'ireo Ejiptiana mpanohitra:

Angamba fotoana mety izao ho an'ny Filoha Nasheed “hilazany tenim-pahendrena” ka mba tsy hifamono ireo rahalahy sy anabavintsika ao Ejipta ho tonga amin'ny hoe  “ny mahery sisa no mijoro”, ho solon'izany, toy ny eto Maldiva, izay tsy maintsy novakian'izy ireny tany anatin'ny tsanganam- “baovao manerantaniny” amin'ny gazetim-pirenen-dry zareo, dia mba handrisika azy ireo koa ho tonga hatramin'ny fanatanterahana izay vitan-dry zareo — afaka manangana tetezamita ampilaminana ho amina demaokrasia tena izy fa tsy sarintsarina demaokrasia nokasain'i Maumoon sy Hosni Mubarak hapetraka efa ho 30 taona izao.

Mila miala avy hatrany i Mubarak ary ampilaminana. 29 taona efa tena mihoatra noho ny ampy!

Ity ny faha-30 taona naha teo amin'ny fitondrana ny Filoha Ejiptiana Mubarak ary ireo Maldiviana dia manao fampitahàna ny nitondran'i Mubarak sy ny 30 taonan'ny jadona tao Maldiva izay nifàrana tamin'ny 2008..

Firax mandefa tweets:

Tsy Vita ny Tsy Hanao Fampitahàna ny Zava-misy Mitranga any  #Egypt & sy ny Fiafàran'ny Fitondrana Tsy Norefesi-Mandidy 30 Taona teto #Maldives

AdduHaanee miteny:

isa majika ny 30. Amin'io isika no miatrika olan'ny hatanorana. Amin'io no misedra ny olany ireo mpanao jadona #Egypt #Maldives

Mashafeeg mandefa tweets:

Ampy tena ampy, 29 taona efa mihoatra noho ny ampy #Egypt

29 years is more than enough

29 taona efa mihoatra noho ny ampy. Sary avy amin'ny http://www.maldivesvotes.com/egypt

Firax manampy:

MUBARAK: Izaho no Rain'ny Demaokrasia, Navelako Hanao Fihetsiketsehana Tsotra izao ry Zareo http://t.co/ejCmd1N Mampanembona zavatra ve??? #egypt #maldives #jan25

MaldivesVotes.com, vohikala iray nampàkatra sary betsaka manentana ho amin'ny demaokrasia tamin'ny hazakazaka hofidiana ho Filoham-pirenena tao Maldiva tamin'ny 2008, dia namorona pejy manokana ho an'i Ejypta. Namoaka sarin'ireny afisy lehibe ireny izy, sary lafika amin'ny fàfana ary nampiseho sary izay azon'ny rehetra ampiasaina hanehoana firaisankina amin'ireo mpanao hetsi-panoherana any Ejipta.

There is hope beyond barbed wires.

Misy fanantenana any ambadiky ny tariby misy farango. Sary avy amin'ny http://www.maldivesvotes.com/egypt/

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.