Ejipta: Miara-dàlana Amin'ny Vahoaka ve ny Tafika?

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Taorian'ny hetsika goavana nanerana an'i Ejipta androany (25 janoary), naparitaka ny tafika mba hampiharana ny fepetra tsy fahafaha-mivezivezy amin'ny alina. Tao amin'ny Twitter, tamin'ny hagagàna no nandraisana ny vaovao, miaraka amin'ny tatitra hoe miaraka amin'ny vahoaka ny tafika.

Ireto manaraka ireto ny santionany amin'ny tweets avy amin'ny faritra.

@flashboy: tatitry ny AJ avy any Alexandria no toa mampisaina fa nanapa-kevitra ny amin'izay toerana hisy azy ny tafika Ejiptiana, ary dia tsy ny any amin'i  Mubarak izay – mandray tànana ireo mpanao fihetsiketsehana.

@news_view RT @BreakingNews: Nomena baiko hameno ny arabe ny tafika Ejiptiana, saingy toa TSY mihevitra ny handray fepetra hanohintohina ireo mpanao fihetsiketsehana ry zareo – Richard Engel iraky ny NBC #Egypt #Jan25

@terriaminute: Nohodidinin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao Cairo ny fiarabe iray an'ny tafika, saingy ho fitehafan-tànana ireo miaramila kosa http://bit.ly/f6WPYV #jan25 #awesome

@SultanAlQassemi Tsy jerena: Ireo Ejiptiana miarahaba tambabe ny fahatongavan'ny tafika tao afovoan-tanànan'i Cairo. #jan25 http://yfrog.com/h4a0rgj

@DannyRamadan: Fiara efatra an'ny tafika ao an-tetezan'i Qasr al-Neel ary ireo mpanao fihetsiketsehana mijoro manoloana azy ireo mihoby sady manofahofa sainam-pirenena Ejiptiana. Toa am-pilaminana izy izany. #jan25

@ReneeEverett: Mihoby ireo miaramila ny vahoaka ao an-dalamben'i Cairo. #Egypt

@ShahbazWeb: Sahala amin'ny mankasitraka ny revolisiona ny tafika – ho ela velona anie ny Tazo avy any Tunis! #Egypt #TunisFever #jan25

@shamanyalkhaili Manambatra ny heriny amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny tafika !!!


@lishypo
: “Amin'ny teny hafa, raha hanapa-kevitra tokoa ny tafika fa hitifitra ireo vahoaka mpanao fihetsiketsehana mitondra tanam-polo, dia ho tifitra amin'ny alalan'ny fitaovana mavesatra novatsian'i Etazonia”

@strangetales CNN: mihatra izao ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina manerana ny firenena ao #Egypt. Tsy misy olona manaja izany. Tsy misy olona mampanaraka an'izany. Mihoby ny fanohanan'ny tafika ny mpanao fihetsiketsehana. #jan25

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.