Tahaka ireo Ejiptiana maro mpanohitra, indraindray sisa Ramy Raoof, ilay mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, no hita eo anivon'ny aterineto tato anatin'ny andro vitsivitsy. Rehefa nampàkatra sary nalaina teny an-dàlamben'i Cairo ho ao anaty aterineto i Raoof : sary avy amin'ireo fihetsiketsehana, soratsoratra mameno ny arabe, ary miaramila, mampiseho amin'izao tontolo izao ny zava-mitranga avy eny an-dalambe.
Androany, nandritra ny fotoana fohy niseranany teto amin'ny aterineto, ni-tweet andian-tsary vaovao izy, miantso ireo mpanjohy azy hizara azy ireny amin'izao tontolo izao:
Ireto manaraka ireto dia sary nalain'i Ramy Raoof tamin'ny 28 sy 29 Janoary ary navoaka tao amin'ny Flickr. Ireo teny fanazavàna dia an'ilay mpaka sary ihany.
Ny sary rehetra dia avy amin'i Ramy Raoof, navoaka teo ambany fiarovan'ny Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic License