Nomelohina noho ny tsikera nataony tamin'i Zofia Springer, ben'ny tanànan'i Mosina [2], tao amin'ny bolongany i Łukasz Kaprowicz, mpanao gazety miasa ho an'ny Fakty Mosińsko-Puszczykowskie, gazety poloney iray ao an-toerana, sady efa nanoratra hatramin'ny ela tao amin'ny bolongana Mosina.blox.pl [3].
Araka ny nosoratany tao amin'ny bolongany [4], ny didim-pitsarana dia nanery azy:
- not work in his profession for a year
- pay 500 PLN fee to the Polish Red Cross
- 10 months of limited freedom + 300 hours of community service
- publish apologies in the local newspaper Głos Wielkopolski
- cover the cost of psychological and psychiatric tests (3 items)
2. handoa onitra 500 PLN amin'ny vokovoko mena Poloney
3. 10 volana voafetra ny fahafahany + 300 ora “asam-pokonolona”
4. hanao fialan-tsiny ampahibemaso ao amin'ny gazety Głos Wielkopolski
5. mandoa ny vola fitsapana ny fahasalaman'ny saina (intelo)
Nafana vay tokoa ny tsikera nataon'ny mpamaham-bolongana tamin'ity didim-pitsarana ity sy tamin'ny fiarovana ilay mpamaham-bolongana. Natsangana ny takelaka Facebook: Popieram Łukasza Kasprowicza skazanego za bloga. Stop cenzurze władzy. [5] (“Manohana ny mpamaham-bolongana Łukasz Kasprowicz aho – ajanony ny sivana.”)
Piotr Wajszczak miresaka [6] ao amin'ny bolongany:
Tafaverina tanteraka eto amin'ny tanànako ny Komonisma!!! Tsy nihevitra izany ho avy amin'ny Ben'ny tanàna, Rtoa Zofia Springer mihitsy aho. Tsinjo fa adinoiny ny tsy fisian'ny PRL [Polska Rzeczpospolita Ludowa – Repoblika entim-bahoakan'i Polonina [7]] intsony efa an-taonany izao. Nitsikera ny nataon'ny Ben'ny tanàna i Łukasz Kasprowicz, ary ny tena zava-dehibe tao anatin'izany dia ara-penitra avo no nanaovany azy. Siky tamim-pahombiazana tanteraka ny nanaovany azy ary navadiny ho fanontaniana henjana tao amin'ny bolongany izany.
[…] Nanafintohina ahy ny nitranga tany Mosina sy ny tsy fahazoana miasa ho an'ilay mpanao gazety matihanina sady mpamaham-bolongana noho ny tsikera manorina nataony. […]
Etsy ankilan'izany kosa, Piotr Vagla Waglowski [8], mpamaham-bolongana miresaka momba ny aterineto sy ny lalàna, no miezaka mamaritra ny voambolana “press material” (fitaovam-baovao) ho an'ny mpitsara sy ny tranga samihafa ahafahana milaza ny bolongana ho “fitaovam-baovao” na tsia.
Raha toa tsarain'ny fitsarana any Poznań ho tsy nanao ny asany amin'ny maha-mpanao gazety azy ranamana, ny dikan'izany dia mieritreritra ny mpitsara fa ny famoahany (lahatsoratra) amin'ny vavahadin-tserasera (amin'ny “bolongany” izany) dia tena fanaovany ny asany.
Nampivoitra ny dfijery isan-karazany amin'ty raharaha ity [9] i Olgierd Rudak :
Tsy vitan'ny hoe manohana ny mpanolotsainan'ny tanàna amina vaomiera hafa noho ny an'ny Ben'ny tanàna ilay mpamaham-bolongana notsaraina, fa nanoratra ho ana-gazety ao an-toerana iray – izay tsy ny Merkuriusz Mosiński, izay – mahagaga, manaitra! mba hafa koa re izany – nanohana tanteraka ny ataon'ny ben'ny tanàna. Mieritreritra aho fa tafiditra anatina “voninahitra ara-politika” ao an-toerana ny mpitsara.
Nasongadin'i Olgierd tany amin'ny farany:
Raha fehezina, eritreretiko fa eto no ahitana mpamaham-bolongana poloney izay nosazian'ny mpitsara iray noho ny fanoratany tamin'ny bolongany.