- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Fitsidihana manokana ataon'ny mpanjaka any Frantsam

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Frantsa, Maraoka, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika

Araka ny voalazan'ny mpanao gazety Maraokana mpanohitra¬† iray nifampitafa tamin'ny vohikalam-pampahalalam-baovao Frantsay Rue89 [1] [fr] dia toa tonga nanao fitsidihana manokana (visite priv√©e) any Frantsa nanomboka ny alakamisy teo ny mpanjaka Mohamed VI avy any Maraoka, ary mipetraka ao amin'ny Lapaben'ny fianakaviany izay akaiky an'i Parisy. Miteraka tombatombana isan-karazany amin'izay tena tanjon'ny fitsidihana ity fivoahana mankany ampitan-dranomasina ity amin'izao gidragidra ankapobeny mitranga any Afrika Avaratra sy ny “Atsinanana akaiky” (an'i Eoropa mazava loatra), indrindra rehefa voasoratra fa toa misy fiaraha-miasakafo manokana iarahana amin'ny Filoha (Frantsay) ao anatin'ny fandaharam-potoana.