Araka ny voalazan'ny mpanao gazety Maraokana mpanohitra iray nifampitafa tamin'ny vohikalam-pampahalalam-baovao Frantsay Rue89 [fr] dia toa tonga nanao fitsidihana manokana (visite privée) any Frantsa nanomboka ny alakamisy teo ny mpanjaka Mohamed VI avy any Maraoka, ary mipetraka ao amin'ny Lapaben'ny fianakaviany izay akaiky an'i Parisy. Miteraka tombatombana isan-karazany amin'izay tena tanjon'ny fitsidihana ity fivoahana mankany ampitan-dranomasina ity amin'izao gidragidra ankapobeny mitranga any Afrika Avaratra sy ny “Atsinanana akaiky” (an'i Eoropa mazava loatra), indrindra rehefa voasoratra fa toa misy fiaraha-miasakafo manokana iarahana amin'ny Filoha (Frantsay) ao anatin'ny fandaharam-potoana.