- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: Fankasitrahana ho an'ny “Arabs Got Talents”!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Jordania, Koety, Media sy Fanoratan-gazety, Mozika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

vetivety dia lasa foto-kevitra mireha ao amin,'ny Twitter ny #arabsgottalents

Ela ny ela, misy toerana iray hahafahan'ny vahoaka mandeha sy mizara ny talentany, lavitry ny fahasosorana, sy ny politika, fomba iray hiainana, hisintonana, hifaliana, hialàna voly sy hanomezana endriny ary fotoana hifandraisana amin'izao tontolo izao…

Nifantenana tsikelikely sy nandraisana jery kiana maro, ny andiany voalohan'ny Arabs Got Talents’ [1] dia nandatsaka tweet manafotra ary lasa foto-kevitra iadian-kevitra ao amin'ny Twitter– miaraka amin'ireo tsikera sasany mahamenatra mikasika ireo mpifaninana, ary ny sasany kosa dia tena faly sy midera azy ireo…

Tahaka ireto ambany ireto ny tweet sasany:

SirCheekss [2] avy any Kuwait dia niteny, tsy mahandry:

SirCheekss Shkithir baji 3ala youm il yim3a? Aby ashoof #ArabsGotTalent.

Firy andro alohan'ny Zoma (rehefa hanomboka indray ny fampisehoana!) Te-hijery ny fampisehoana aho

SMousa [3], avy any Khobar, Arabia Saodita, dia mitebiteby fatratra ary manamarika ihany koa:

smousa Abi youm eljm3a asra3 mt7msa #ArabsGotTalent

Tiako ho tonga haingana ny Zoma, tsy mahatombina aho!

Ao amina fanamarihana somary manesoeso kokoa, dia mitsikera i ShanteleeWhaat [4]:

ShantaleeWhaat #arabsgottalent . Iza no afaka mandrahona ny USA mihoatra noho izy ireo ?

Ary i YaraHattab [5] dia manala baraka ireo mpifaninana amin'ny fanambarany:

YaraHattab @chantelsaid #arabsgottalent HAHAHAHA . TSY ANDRIKO MIHITSY. LOTIKY NY FIHOMEHEZANA AHO. Tonga amin'ny fehiny aho hoe tsy manana talenta ny arabo.

Ao amina fanamarihana miandany amin'ny lafiny tsara kosa, i nidalkhoury1 [6] avy any Amman, Jordania, dia manombana mpifaninana iray:

nidalkhoury1 Manana fanehoam-pahaizana tsara i Talal ao amin'ny #starbldar #middleeast http://bit.ly/fkkj2g tena marina izany #arabsgottalent

Ary i starbldar [7] koa dia nanana fijery sahala amin'izany:

starbldar Manana fanehoam-pahaizana tsara i Talal ao amin'ny #starbldar #middleeast http://bit.ly/fkkj2g tena marina izany #arabsgottalent

Ity no fihatombohana mahafinaritry ny Arabs Got Talent!