Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).
Betsaka ny tatitra milaza fisamborana sy antsojay ary herisetra ataon'ny polisy no mipoitra, raha miditra amin'ny andro fahatelon'ny hetsika ry zareo Ejiptiana. Misy ihany koa tatitra mikasika famoizana aina saingy tsy mbola ananana ny antsipirihany sy ny tena antontan'isa marina.
Dima Al Khatib manambàra hoe:
ANDRO 3 amin'ny fitroaran'ny Ejiptiana: olona 1000 na maherin'izany voasambotra, araka ny filazan'ireo loharanom-baovao ara-dalàna tsy miankina #jan25 #egypt
Ahmed Abd El-Fatah mandefa bitsika:
Shawky Ragab manampy:
Ary i @shmpOngO manamarika hoe:
Nosamborin-dry zareo tany amin'ny hopitaly daholo ireo mpanao fihetsiketsehana naratra #jan25 #egypolice

Ejiptiana iray mampiseho ireo diam-bala fingotra tao an-damosiny. Sary avy amin'i Gigi Ibrahim
Gigi Ibrahim mizara ireny fandratràna ireny ao anatin'ity saripika ity ary mandefa bitsika hoe:
Manana iray amin'ireny aho ao an-damosiko…mbola marary http://yfrog.com/h290794515j #EgyPolice #Jan25 matesa ry kisoa isany!
Ary ilay iraky ny Guardian ao Cairo, Jack Shenker, izay voalàko sy voasambotra niaraka tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao Cairo, dia mandefa ity tahiry mampivarahontsana ity, fony izy nahiboka tao afàran'ny fiaraben'ireo herim-pamoretana niaraka taminà mpanao fihetsiketsehana maromaro.
Mandritra izany, i Farrah mitatitra ny fampiasàna “baomba simika miloko mavo” atsifotra mankamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny hetsika tao Ismailia. Hoy izy mandefa bitsika:
Mitifitra akora simika miloko mavo an'ireo mpanao fihetsiketsehana amin'izao fotoan izao ny mpitandro filaminana eto Ismaley-ya
tifitra mahazo ireo mpanao fihetsehana sy mahatonga azy ireo hisalebolebo ary hivembena #jan25
Ary i Ian Lee, mandefa bitsika avy ao anaty hetsika any Suez, dia manoratra:
Vato no mameno ny habakabaka. Miroso ireo mpanao fihetsiketsehana. Suez. Tatitra amin'ny fampiasàna bàla tena izy. #jan25
Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).