Siria: Mpampiasa Aterineto Mirohotra Manohana Ireo Ejiptiana Mpanao Fihetsiketsehana

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Pejy fandraisan'ny gazety mpiseho isanandro Baladna voajirika. Vaovao mikasika ny hetsi-panoherana Ejiptiana navoaka.

Raha mbola misonga miakatra hatrany ny haromotan'ny hetsika handrodànana ny fitondran'i Mubarak ao Ejipta, manao izay ho afany hanohanana ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny lafiny rehetra ny Siriana. Nitatitra ny Birao ao Damaskaosy fa nitsofohan'ny mpijirika ny tranonkalan'ny[ar] gazety mpiseho isanandro Baladna ka nametrahan'izy ireny hafatra milaza fa : “Tsy avelanay hisy fanakonana ny media izany raha ny zava-misy eto Ejipta no jerena. Ireto ny matoan-dahatsoratra vitsivitsy mikasika ny zava-mitranga eto Ejipta “

Maurice Aaek, mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety, dia badenina tanteraka[ar] mahita ny mpampiely vaovao an'ny fanjakana mamoaka vaovao diso mikasika ny antony sy ny fitakian'ireo mpanao fihetsiketsehana:

عددت البعث جميع مطالب الجماهير (من الاحتجاج على الأوضاع الاقتصادية إلى طرد السفير الاسرائيلي ووقف تصدير الغاز) دون المرور على المطلب الأساس الذي تنادي به الجماهير المحتشدة منذ يومين وهو رحيل الرئيس المصري حسني مبارك.

Al-Baath nanao lisitra ny fitakiam-bahoaka rehetra ( manomboka amin'ny fanoherana ny fepetra ara-toekarena hatrany amin'ny fandroahana ny masoivoho Israeliana ary ny fampiatoana ny fanafàrana entona fandrehitra) saingy tsy mitanisa ny fangatahana fototry ny olona efa ho roa andro nihetsehana izao dia ny tsy maintsy hialàn'ny filoha Husni Mubarak.

Siriana mpitoraka bilaogy vitsivitsy no manokana ny bilaogin-dry zareo[ar] hizaràna vaovao momba ny hetsi-panoherana, ary misy vondrona avy amin-dry zareo ireo no tonga amin'ny fiaraha-manangana bilaogy iray [ar] ho famoahana fotsiny ireo vaovao farany momba ny hetsika isaky ny mihetsika. Ahmad AbulKheir nandefa toro-làlana[ar] ny amin'ny fomba hidirana ao amin'ny Facebook sy Twitter amin'ny fampiasàna HTTPS ary fanampim-pitaovana iray ho an'ny Firefox antsoina ho https-everywhere, taorian'ny nanambaràna fa hoe voasakana ny tranonkala tao Ejipta mba ho fisakànana ny fipariahana malakin'ireo fanavaozam-baovao.

Mazava loatra, nitàna toerana lehibe ny Twitter tamin'ny famoahana fanohanana sy fampitàna vaovao ary antso ho amin'ny hetsika. I Omar Mushaweh dia nitatitra tetika vitsivitsy mahalasa saina tao Syria:

"Miantso fanoherana ireo Siriana mafàna fo, eo anoloan'ny Antenimiera amin'ny 5 Febroary.

Ary somary tamin'ny endrika poetika no nibitsihan‘i Yassin :

Fotoana telo tsy maintsy iainantsika mandritry ny androm-piainana: Masoandro miposaka aorian'ny orana iray herinandro, ny fahaterahan-jaza, ary ny fanatreha-maso ny firodanan'ny mpitondra jadona iray.

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.