Yemen: Anarivony nanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondran'i Saleh

Tamin-kafaliana no nandraisan'ny tontolo Arabo ireo tatitra mikasika ny hetsi-panoherana any Yemen, tontolo Arabo izay misy an'ireo mponin'ny aterineto maneho ny fanohanany betsaka an'ireo rahalahiny sy anabaviny Yemenita.

Raha ny nambaran'ny BBC,  Yemenita anarivony no nanao fihetsiketsehana tao Sanaa renivohitra, nangataka ny filoha Ali Abdulla Saleh, izay efa 30 taona mahery no teo amin'ny fitondràna, mba hiala. Ity fotoanan'ny hetsi-panoheran'ny Yemenita dia nifanindran-dòlana tamin'ny fihetsiketsehana mihanaka be mandrakotra an'i Ejipta, mangataka ny hanatsahàrana ny 30 taona nifehezan'i Hosni Mubarak, ary manaraka ny fitroaran'ny vahoaka Toniziana, izay nitarika tamin'ny fandosiran'ny lehilahy mahery Zein Al Abidine Ben Ali sy ny fianakaviany an'i Tonizia, rehefa nifehy azy io tamin'ny fomba henjana nandritra ny 23 taona.

Tao amin'ny Twitter, nientanentana ny rehetra, satria ireo mponin'ny aterineto erantany dia naniry daholo an'i Yemen hanaraka ny dian'ny Toniziana, ka hanala an'i  Saleh.

Moniraism manamarika:

Areti-mifindra ny revolisiona. Isaorana an'i  Tonizia ny  hevitra nomeny.

Mihoraka i Bint Yunus:

YA RABB! (Andriamanitra o!) The Arabs have TENA NIFOHA MARINA ny Arabo!

Mona El Tahawy manazava:

#Mubarak nitondra an'i #Egypt hatramin'ny 1981. Ali Abdullah Saleh nitondra an'i #Yemen hatramin'ny 1978. Ampy izay! Kefaya! #DictatorsOut #Sidibouzid #Jan25

Saudi Woman manamarika:

‎Nanomboka tany Tunis io ary nihisaka nankany Ejipta sy  Yemen, Syria no azoko tsindrimandry ho ny manaraka. Mety ho efa nanomboka aza fa ny vaovao no voaara-maso.

Tarek manampy:

maniry mafy hahazo vaovao misimisy kokoa avy any  Yemen toy ny any Ejipta. Iza amin'ireo fitondrana jadona efa ampolo taonany ireo no hidaraboka voalohany?

Ary i Kevenleversee maminany fa:

Iran, Tonizia, Ejipta ary izao i Yemen, I see the previous totalitarian world coming open thru mobile social web

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.