Ejipta: Fa Misy Inona ao Suez?

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Ny kiaka avy any amina tanàna iray amoron-tseranana ao  Suez, 129km atsinanan'i Cairo renivohitra, dia mafy sy mazava, raha miditra indrindra amin'ny andro fahatelo ny hetsika rehetra manerana an'i Ejipta.

Antsipirihany maimaika avy amin'ireo fifandonana tamin'ny mitandro filaminana no nivoitra, ary tena sarotra ny manombatombana ny toe-draharaha satria korontanin'ny manampahefana ny fifandraisana an-telefaona, ary maro ireo mpanao gazety sy mafana fo nampahafantatra an'izao tontolo izao momba ny fivoaran'ny raharaha ao Ejipta no nosamborina.

Abdelrahman Hassan mandefa tweets:

Fampitam-baovao iraisampirenena, no ILAY Ejiptiana! Vonoin'ny polisy ny vahoaka AMIN'IZAO FOTOANA IZAO, mila fandrakofam-baovao izahay!

Mohamed Selim manampy:

! Misolo toerana ny polisy ny tafika Ejiptiana!

Ary Ammar Abdulhamid manavao ny vaovao:

mbola ambany fepetra tsy ahafahana mivezivezy. Tsy ao Davos ny Minisitry ny Varotra. Mikatona ny Fanakalozam-bola. Niverina i ElBaradei. mandefa fanohanana i Obama . Marina izany, tsy i ity

Ny fanontaniana ao an-tsaina momba ireny fivoaran-draharaha ao Ejipta ireny dia: Fa misy inona ao Suez?

Mandefa tweets i Sarah Naguib :

Raha misy olona mba mahafantatra olona any Suez, mba miezàha maka vaovao azafady mikasika  ny toe-draharaha any :S

Abdulhamid manampy:

#Suez: tsy mandeha ny tambajotra finday, fa tsy ny antso an-tariby mahazatra, noho izany tsy dia mitoka-monina tanteraka ny tanàna. Raha mahafantatra olona any ianareo, azfd antsoy, izarao vaovao #jan25

Ary ilay mpanao gazety Ian Lee dia lasa any Suez hijery imaso mihitsy ny zava-mitranga any:

An-dàlana hanao tatitra mikasika ny zava-mitranga aty Suez aho. Manantena indrindra mba tsy ho voasakana eny amin'ny toeram-pisavan'ny polisy aho.

Mandritra izany, i  Hadeel Al-Shalchi, solontenan'ny biraon'ny Associated Press Middle Faritra Atsinanana,  ao Cairo, dia tany Suez omaly, ary nandefa tamin'ny tweet ny zava-niainany tany.

Tanatin'andiana tweetsnofariparitany ny zava-misy any:

Mirehitra i Suez

Anatin'ny trano iray feno vehivavy midradradradra aho suez entona mandatsa-dranomaso cocktails molotov  bala mirefodrefotra

@ haiko. avy amin'izay voavoriko, fa ratsy eto Suez androany noho izay any Cairo raha resaka herisetra. mbola jenjin'ny entona ny masoko!

@ nandany ny androny tao Suez ary nivadika faran'izay ratsy nony alina, voadaroka entona nisinisy kokoa, tena mikorontana ny lohako. hody any cairo izao

Ity lahatsary manaraka ity, avy amin'ilay mpampiasa YouTube, superknight1100, dia mampiseho ampahany amin'ny hetsika tao Suez omaly alina:

Ary ity pejy Facebook ity(Ar), an'i Ruham Aldakkak, dia manana lisitra tweets maro vitsivitsy, saripika ary rohy mikasika ny fivoaran'ny raharaha ao Suez.

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.