Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitaterana manokana momba ny Fihetsiketsehana 2011 any Ejipta.

Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Tamin'ny fakana tahaka ny fihetsiketseham-panoherana Toniziana izay niafara tamin'ny efa lasa filoha Toniziana teo aloha Zine El Abidine Ben Ali roa herinandro lasa izay, dia mampiasa ny valan-tserasera [media sosialy] tahaka ny Facebook sy ny Twitter ny mpanao fihetsiketsehana handaminany ny fihetsiketsehan'izy ireo. Halina ny vaovao an-tserasera no nilaza fa an'aliny ny Ejipsiana no nitoby teo an-kianja afovoan'i Kairo, Kianja El-Tahrir, ary kasaina hitohy ny alarobia ity fihetsiketsehana ity.

Maro amin'ny mpitazana no mahatsikaritra fa tsy milaza na inona na inona momba ny fihetsiketsehana ny mpamoaka vaovao be mpanaraka.  Ny tati-baovao nataon'ny Aljazeera manokana dia kely dia kely tokoa. Ny olo-tsotra tia mitati-baovao no mamoaka lahatsary maro avy any anatin'ny fihetsiketsehana ho hitan'ny mpiserasera.

Tafaray tsikelikely ny olona an-jatony nivorivory tamin'ny toerana maro ary nihabetsaka ka lasa vondron'olona zavontany milahatra an-dalam-be izay naharobaka ny fefy olona nataon'ny polisy araka ny hita amin'ny lahatsary navoakan'i  lukasjakubicka:

Niainga am-pilaminana ny fihetsiketsehana araka ny hita amin'ity lahatsary ity (tsy misy feo) navoakan'i ramzyam izay nilaza ny heviny hoe:

Feno fanajàna sady arovan'ny Hery Vondron-tafiky ny Polisy.

http://www.youtube.com/watch?v=WCvFVJ46P_o

Ity lahatsary manaraka navoakan'i no2again, ity dia ahitana mpanao fihetsiketsehana mihiaka milamina hoe: “Miala, miala i Hosni Mubarak!” sy ny “Filaminan'ny Firenena? Filaminan'ny Firenena? Tsy misy ny filaminana ary tsy misy ny firenena!” ankoatra ny hiaka hafa:

Voatatitra avy eo fa nalahatra nanerana ny tanànan'i Kairo, renivohitra, ny polisy misahana ny rotaka mba entina hanindriana ny mpanao fihetsiketsehana araka izay asehon'ny lahatsarin'i motherofthetribe:

Tsy ela dia re nisongadina ny fifandonana nifanaovana tamin'ny polisy misahana ny rotaka. Ity lahatsary ity dia navoakan'i Midogonpapa:

Ao amin'ny lahatsary, navoakan'i MFMAegy, ity no ahitana tovolahy mijoro eo anoloan'ny fiarabe mpitifitra amin'ny rano, tahaka ny tamin'ilay tovolahy nibahahana ny tank tao amin'ny kianjan'i Tiananmen, mibahana ny fiarabe tsy hanenjika ny mpanao fihetsiketsehana:

Ity lahatsary, asehon'i MrPeopleNews, ity dia mampahatsiahy ny nataon'ny mpanao fihetsiketsehana Toniziana nandrovitra ny sarin'ny filohany:

Hita miverimberina amin'ny faritra maro manodidina an'i Kairo ny tranga tahaka io, araka ny asehon'ny lahatsarin'i Ba7ary:

Ny takarivan'ity andro ity, tafangona teo an-kianjan'i El-Tahrir eo afovoan'i Kairo, hodidinin'ny polisy misahana ny rotaka, ny mpanao fihetsiketsehana. Hoy ny hiakany hoe “Te-hanala ity fitondrana ity ny vahoaka” araka ny hita ao amin'ity lahatsary ity, izay navoakan'i nadiaharoun:

Efa tena alina tokoa no nandrenesam-baovao fa nahery vaika ny fifanoherana teo amin'ny Polisy misahana ny rotaka sy ny mpanao fihetsiketsehana izay mandà ny hiala ny kianjan'i El-Tahrir.

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitaterana manokana momba ny Fihetsiketsehana 2011 any Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.