- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011) [1].

Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny  hetsi-panoherana omaly [2]. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter [2], nokorontanina  ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.

Ireo fihetsiketsehana, natao niaraka nanerana ireo tanan-dehibe samihafa, dia taorian'ny antso iray nalefa avy amin'ny Facebook hanaovana Andron'ny Hatezerana ho fanoherana ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly ary ny fiakaran'ny vidin-javatra sy ho antso amin'ny fanavaozana ara-toekarena, ankoatr'ireo fitakiana maro hafa . Ny tati-baovao dia namoaka fa efa  “voavinavina mialoha [3] ny fanakanana ny Aterineto mba  “hisakanana ireo tranonkala tena fampiasan'ireo mafàna fo handrindràna ny hetsik'izy ireo.”

Na eo aza izany, afaka nandingana ny sakana ihany ireo mponin'ny aterineto, nanely tweets an'arivony, sary sy video noraketina mampiseho olona an'arivony mikiaka teny manohita ny governemanta sady miantso fampitsaharana ny kolikoly sy ny 30 taona nitondran'ny Filoha  Hosni Mubarak.

Ny fanakanana ny Facebook, izay vinavinaina ho manana mpampiasa  5 tapitrisa ao Ejipta, dia niteraka faharanitana tao amin'ny Twitter, izay azon'ireo mponin'ny aterineto nidirana tamin'ny alalan'ny fampiasàna proxy, izay maninana mazava tsara mihitsy ny fandraràna napetraky ny governemanta.

Daila Ziada mitatitra [4]:

Ops! Tsy afaka miditra #Facebook [5] intsony aho! Voasakana ankehitriny ny Twitter sy Facebook! #Jan25 [6]

Lasto Adri manamafy [7]:

Voasakana akehitriny ny Facebook eto Ejipta. #Jan25 [6]

Ahmad Essam mitomany [8] ny fahafatesan'ny fahalalahana maneho hevitra:

MANDRIA AM-PIADANANA ry fahalalahana maneho hevitra. #Jan25 [6] #Egypt [9]

Ejiptiana iray  miomana [10] aminà hetsika bebe kokoa:

لو قفلوا الفيس بوء كل الناس هاتنزل الشارع Jan25
Raha voasakana ny Facebook, ny vahoaka rehetra no hirotsaka hanohitra an-dalambe

Wael Abbas emihiaka hoe [11]:

RT @waelabbas [12] mandefona ivoho an'i Ejipta i Mubarak! henoy ny dradradradranay ry tontolo!!!

Gue3bara manampy [13]:

ry mpanjohy mala isany manerana izao tontolo izao nosakanan'ny mpitondra ny aterinetonay miangavy manehoa firaisankina amin'ny fanelezana ny feo #jan25 [14]

Ary i  Alaa Abd El Fattah manamarika [15]:

النظام حسم سؤال مصر زي تونس ولا لأ بحجبه تويتر و فيس بوك
Novalian'ny mpitondra ny fanontaniana hoe mitovy sa tsia amin'i Tonizia i Ejipta tamin'ny nanakanany ny fidirana amin'ny Twitter sy Facebook.

Manolo-kevitra izy [16]:

ok ry akama rehetra ao Ejipta manomboha mametraka Tor izao, ny governemantanareo efa nanapa-kevitra mazava fa Tonizia izay hafa i Ejipta

Ary i Ahmad Gharbeia manaraka an'izay [17]:

Aparitaho amin'ny SMS ho an'ireo namanareo ny ROHY nafohezina amin'ny tolotra proxy na fitaovana ampiasainareo sy fantatra azo anampiana #25jan [18]

Walora manampy [19]:

@25Egypt [20] ثورة تونس نجحت ليس فقط بالفيسبوك ولكن برسائل المحمول .. يجب على الجميع ارسال رسائل لكن من يعرفون .. أنشرها للجميع #Jan25 [6] #Egypt [9]

Tafita ny revolisiona Toniziana, tsy noho ny Facebook, fa noho ny hafatra SMS. Ny tsirairay dia tokony handefa hafatra amin'izay olom-pantany avy. Aelezo izao dieny izao

Wael Khalil manamafy [21]:

الرسائل والايميل والتواصل المباشر طريقنا – فيسبوك مش هو الاساس يا حكومة غبية – ياجماعة هاتولنا ناس بتفهم شوية #Jan25 [6]
SMS, mailaka sy fifandraisana mivantana no fitaovantsika. Tsy fitaovana fototra ny Facebook, governemanta mitapy!  Oh, mba omeo olona afaka mandinika tsara kokoa izahay!

Mona ElTahawy manontany [22]:

Mihevitra ve i #Mubarak [23] fa ny fanakanana ny #Facebook [5] #Twitter [24] dia hahasakana ny hatezeran'ny vahoaka tsy faly aminy? #Jan25 [6] #Egypt [9]

ary hoy izy manohy [25]:

#Facebook [5] #Twitter [24] dia fitaovana. Ny tena fitaovana mandaitra an'ny #Egyptians [26] iatrehana an'i #Mubarak [23] dia ny risi-pony. Tsy hay tohaina izany. #Jan25 [6] Yalla #Egypt [9]!

Makanoo manaiky [27]:

RT @makanoo [28]: Heveriko fa ny fanapahana ny facebook sy twitter dia hiteraka hatezerana bebe kokoa eo amin'ny vahoaka. #jan25 [14] #fail [29]

Mandritra izany, i Marwa Rakha dia manovo sy mandefa [30] ireo rohy mankamina proxy samihafa azon'ny olona ampiasaina handingànana ny sakana.

Ity lahatsoratra ity dia singa iray avy amin'ireo fandrakofanay manokana ny  Egypt Protests 2011(Hetsi-panoherana Ejipta 2011) [1].