- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Nirotsaka ny Alina, Taorian'ny Andron'ny Haromotana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Politika, Tanora, Vaovao Mafana

Raha nirotsaka handrakotra an'i Ejipta ny haizin'ny alina, nitohy hatrany kosa ny hetsi-panoherana tao Cairo sy nanerana ny firenena. Nobahanan'ireo zava-nitranga tao Tahrir Square any Cairo ny vaovao samihafa, izay nanaparitahan'ny polisy an'ireo mpitokona tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso, bala fingotra, ary tifitra rano niafàra tamin'ny faharatràn'olona maro. Tany Suez, olona telo [1] no voalaza fa maty. Tany Alexandria,  fitokonana nataona olona an'arivony nanomboka tamina fisamborana. Tany El-Mahala [2], tanàn-dehibe iray ara-indostria sy ara-pambolena, nisy tatitra tanaty Twitter momba ireo polisy gaigy manimba fananan'olona tao El-Shoon square sy fifandonana teo amin'ny vahoaka sy ny polisy [3].

@Alaa [4] nandefa tweet nilaza fa tena ilaina be mihitsy ny mpitsabo ao amin'ny Tahrir Square:

Mandra-paha  dia aleo entintsika any amin'ny hopitaly ny olona,  mila fanafody & fitaovana ny mpitsabo ♻ @husseinelsaid: @alaa ilaina ny mpitsabo ao amin'ny  Tahrir Sq miangavy MAFY  RT

Vao maraina be androany, nosakanan'ny governemanta Ejiptiana ny Twitter, ary notapahany koa ny fifandraisana amin'ny finday mandrakotra ny Tahrir Square, namèla an'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hisy fitaovana hifaneraserana amin'ny tontolo ivelany. Nitondra nankany amin'ny famahàn'ireo mponina manodidina teo noho eo ny tenimiafina tamin'ny routers-n-dry zareo izany mba hahafahan'ireo mpanao fihetsiketsehana miditra aterineto:

@Mohrad [5]

المواطنين والمحلات لغوا باسوردات شبكات الوايرلس والمعتصمين في التحرير يستطيعون الآن التواصل مع الناس#Jan25 #fb

Nanàla ny tenimiafin-dry zareo daholo ny olona sy ireo tranom-barotra . Afaka mifandray amin'ny olona ankehitriny ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny  Tahrir square..

Ary koa, ireo fivarotana manodidina dia nanomboka nizara sakafo sy rano ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana.

@Mohrad [6]

من التحرير: هارديز طلع ساندوتشات صغيرة للمعتصمين والأمن منعهم وطلب منهم يقفلوا ويمشوا ورفضوا يقفلوا ومشاركين الشباب

Avy ao Tahrir: Nanome mofo voasesika (sandwiches) ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana ny Hardees, nefa tonga avy àny ny polisy nandràra azy ireo ary nangataka azy ireo hiàla. Nandà ireo mpivarotra, ary nirotsaka nanatevin-daharana ny vahoaka.

Nisy olo-malaza vitsivitsy tonga nanatevin-daharana ny hetsika, ary nanavao hatrany ny kaonty Twittern-dry zareo. Ilay mpisehatra Amr Waked [7] sy Khaled Aboul Naga [8], ilay vehivavy mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra Bouthayna Kamel [9], ny tale Amr Salama [10], ary ilay mpanao politika Ayman Nour [11].

Amr Salama sy Khaled Aboul Naga, nanoratra fanavaozam-baovao avy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ho an'ny Ejiptiana rehetra:

رسالة من المعتصمين: كلنا موجودين في ميدان التحرير مش هنتحرك، و هنبات و هنكمل مظاهرتنا بكره الصبح رغم كل اللي بيعمله الأمن، اللي يقدر منا ينزل للناس دي ينزل، و اللي يقدر يجيبلهم مية أو أكل يجيب، و اللي مايقدرش ينشر الخبر دا و مايصدقش اللي بيتقال عن إنهم هيمشوا أو هيتحركوا من مكانهم… قوم يا مصري

Avy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana: Hitorombina eto Tahir Sq izahay. Tsy hiala. Hijanona sy hanohy ny fanehoan-kevitra rahampitso maraina na eo aza ny herisetran'ny polisy. Na iza na iza afaka miaraka aminay, tongava. Na iza na iza afaka mamatsy rano sy sakafo, ataovy izany. Horoahanay hiala ny firenena ireo. Minoa an'izany. Mandraisa anjara ry Ejiptiana!

Nanodidina ny tamin'ny  10:00 alina, ora ao Cairo tamin'izay raha nandefa tweet avy ao amin'ny Tahrir Square i Farouk.

@farokadel [12]:

من التحرير المعنويات مرتفعة بس الامن بيجهز هجوم تقريبا

Avo ny fanantenana. Saingy toa mikononkonona zavatra ry zareo polisy.

@Sandmonkey [13] nanamarika:

Zava-mahatsikaikin'iny andro iny: tsy nisy na tovovavy iray aza niharan'ny hetraketraka ara-nofo androany. Nihetsika tanaty fifanajàna avolenta ny tsirairay. #jan25

Na izany aza, niova tampoka ny endri-javatra nanodidina ny misasakalina rehefa nanomboka nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny Tahrir Square  tamin-kery ny polisy.

@Mohamed_A_Ali [14] nandefa tweet avy ao amin'ny toerana nanaovana ny fitokonana:

الضرب اشتغل الحقونا

Nanomboka nidaroka ry zalahy. Ampio izahay.

Araka ny nambaran'ilay vehivavy mpanao politika malaza, Gameela Ismail [15],  dia 40 raha kely ny olona voasambotry ny polisy ary nentina any amina toerana tsy fantatra, ka isan'izany ny zanany lahy Noor, Dr. Mostafa El Nagar [16], mpandrindra ankapobeny ny Fanentanana ho amin'ny Fanovàna, ny mpanao gazety Mohamed Abdelfattah [17], ary AbdelRahman Ayyash [18], mpianatra iray miofana ho injeniera izay tokony hiatrika fanadinana rahampitso any amin'ny fakiolte-ny.

Misy antso nalefa ho amina hetsika bebe kokoa amin'ireo kianjam-bahoaka samihafa ao Ejipta rahampitso (26 Janoary 2011), saingy mbola ho hita eo amin'ny maraina raha hitohy na tsia ny hetsika.